Nidina An-dalambe Ny Vahoaka Poloney

Mponina ao Varsovia nivory teo anoloan'ny Lapam-panjakana . Sary avy amin'i Anna Gotowska, CC-BY.

Manamarika ny fahazato taona niorenan'ny Fitsarana Tampony Poloney ny taona 2017 kanefa nidina an-dalambe ireo Poloney ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fitsarana ao amin'ny firenena raha tokony hankalaza izany.

Tsy ela dia nalain'ny antokon'ny fitondrana Lalàna sy Rariny (PiS), izay efa nitana ny fahefana nandritra ny herintaona sy tapany, ny fahefan'ny fampanoavana, ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana ary — tamin'ny 12 Jolay 2017 lasa teo — ny Vaomieram-Pirenena Misahana ny Fitsarana, izay manendry sy manondrotra ny laharan'ny mpitsara.

Ary ankehitriny any amin'ny Fitsarana Tampony indray no itodihan'ny antoko eo amin'ny fitondrana. Nisy fanovana lalàna maromaro, nampidirina tamin'ny herinandro lasa ary nofidian'ny komity parlemantera tamin'ny 18 Jolay, nahafahana manadio tanteraka ny ireo tompon'andraikitra ao amin'ny ratsam-pitsarana fandravana didy iray manontolo ao Polonina, izay ahitana mpitsara tampony miisa 83. Nitranga ny ampitson'ny mampanakery ny lalàna ny fandroahana faobe. Ny Minisitry ny Fitsarana, izay mpikambana ao amin'ny Lalàna sy Rariny, irery ihany no afa-manajanona izay maningana. Ny Vaomieram-Pirenena Misahana ny Fitsarana izay efa voalaza etsy ambony, ary efa voafehin'ny antoko, avy eo no hameno ny seza banga.

Ny Fitsarana Tampony nohavaozina no hanana ny fahefana amin'ny didy farany momba ny ady madio sy ny heloka bevava rehetra. Ahitana fananganana Ratsam-Pifampifehezana vaovao ao anatin'ny Fitsarana Tampony ihany koa ny volavolan-dalàna, ka io no handray ny fanapahan-kevitra farany momba ny famaizana ireo mpitsara rehetra ao amin'ny firenena.

Tao anatin'ny fihetsika tsy nampoizina tamin'ny 18 Jolay, raha mbola tao anatin'ny adihevitra ny volavolan-dalàna , nilaza  ny Filoha Andrzej Duda izay mpikambana teo aloha tao amin'ny antoko Lalàna sy Rariny fa tsy hanao sonia ny volavolan-dalàna fanavaozana ny Fitsarana Tampony izy raha tsy ampidirina ao amin'ny Lalànan'ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fitsarana izay lany tamin'ny herinandro lasa ireo fanitsiana volavolan-dalàna vaovao nataony. Milaza ny fanitsiana fa tokony ho voafidin'ny parlemantera maro an'isa telo ampaha-diminy ny mpikambana ao amin'ny Vaomiera, fa tsy voafidin'ny maro an'isa tsotra araka ny voalazan'ny volavolan-dalàna tany am-boalohany ihany, izay manasarotra kokoa ny fampandanian'ny antokon'ny Lalàna sy Rariny ny kandidàny. Na izany aza, maro no mihevitra fa tsy manaraka ny lalàmpanorenana ny lalàna vaovao ary tsy hanova ny zava-misy ny soso-kevitry ny filoha raha lany.

Ho setrin'izany, nidina an-dalambe ny mponina ao Varsovia sy avy any amin'ireo tanàndehibe Poloney hafa mba hanerena ny filoha hanao veto tanteraka ny volavolan-dalàna. Tohin'ny fihetsiketsehana izay nanomboka nandritra ny faran'ny herinandro ny fivoriana, ary nitombo maro kokoa ny olona tamn'ny andro nandinihan'ny Parlemanta ny volavolan-dalàna nampiady hevitra.

Olona an'arivony miaraka amin'ny labozia teo anoloan'ny Fitsarana Tampony

Nokarakarain'ny Fikambanan'ny Mpitsara Poloney “Iustitia”  sy ny Akcja Demokracja (Hetsika Demaokratika) ny hetsi-panoherana tao amin'ny tanàndehibe manerana an'i Polonina miisa 33.

Mampiseho ireo mpandray anjara tao Varsovia mihira ny hiram-pirenena Poloney ny lahatsary eto ambany izay nalain'ny mpanoratra tamin'ny 18 Jolay :

Ary ato amin'ity lahatsary ity, mihikiaka ny mponina ao Varsovia  hoe: “Mila ny veto izahay! Afaho ny fitsarana! “

Ahitana ny #ŁańcuchŚwiatła (midika hoe “ny rojon'ny hazavana”), #wolnesądy (midika hoe “afaho ny fitsarana”) sy #chcemyweta ( “mila veto izahay”) ny tenirohy avy amin'ny Akcja Demokracja.

Mitohy ny famoriam-bahoaka hiarovana ny demaokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna eto Polonina … Mampiseho  ny fanantenana ho amin'ny fahafahana sy ny hoavy tsara kokoa ny labozia.

Naharitra hatramin'ny misasakalina ny adihevitra mafana tao amin'ny Parlemanta, nahitana ny mpanohitra vitsy an'isa niezaka hanakana ny fampandaniana volavolan-dalànan'ny Fitsarana Tampony. Andrasana amin'ny 19 Jolay ny fifidianana farany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.