Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Septambra, 2022
Guaraní iray mpanao gazety manontany tena momba ny tsy fisian'ny fandrakofam-baovao manadihady ny fitrandrahana solitany ao Gran Chaco
Rehefa mikaroka ny hoe « fitrandrahana solitany » any anaty media sasantsasany, inona no hita ? Elías Cerezo mahita fa aseho ho toy ny mariky ny fandrosoana ireny teny ireny.
Tanora guaraní manontany tena momba izay antony tsy ahitàna ny fitenindreniny eny anaty media
Rehefa manao fikarohana ny teny iray hoe "vahoaka indizeny" ianao any anatin'ny media sasantsasany, inona no hitanao? Ho an'i Rober Degni Abapori dia manondro ny fizakantenan'ireo indizeny ireny
«Tsy asehon'ny haino aman-jery izay tena zava-misy marina any amin'ireo vondrom-piarahamonina indizeny»
Rehefa mitady ny teny hoe "vazimba teratany" any anatin'ny sasany amin'ireo media bôliviàna ianareo, inona no hitanareo? María Jesús Velasco mahita fa tsy aseho miaraka amin'ny tena filan'ireo vondropiarahamonina ilay izy.
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
Efa vita tatitra momba ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Zimbaboe izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
«Izahay vahoaka indizeny no ampangain'ireo media ho niandohan'ny afo»
Mario Quezada mihevitra fa tokony hampiasa vola amin'ny fisorohana ny afo sy ny loto ao Gran Chaco ny media.
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?
Misy ny fitsipika iray manery ny orinasam-pifandraisana (telcos) hanakana sy hanivana ny lisitry ny URL, ary "manara-maso isan'andro" ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa nohavaozina izany.
Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety
Vehivavy iray mpanao gazety nanamarina ny banga tamin'ny asan'ireo mpanala fako ao Skopje no norahonan'ireto farany tamin'ny filazàna fa mety hitera-doza izany ho an'ny tenany, ny fianakaviany ary na dia ny alikany aza, nitaky azy hamafa ireo sary manameloka an-dry zareo.
Fitsarana misahana Fifidianana ao Brezila, ampifanakaikeziny kokoa ireo vovonana mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, saingy mbola fanontaniana mipetraka ny momba ny fanolorantenan'ireo orinasa
Tsy misy fanerena anefa ireo fifanarahana rehetra, midika izany fa tsy hisy ny fampiharana raha toa misy vovonana tsy manaja ireo asa voatanisa ao anatin'ilay fifanekem-piarahamiasa.
Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe
Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Tanzania. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.