Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2016
Fitsarana Makedoniana Mandà Ny Fandravàna Didy Nangatahan'ny Mpikatroka Ira Voaheloka Noho Ny Fanalàna Baràka Mpanolotra Amin'ny TV Mpomba Ny Fitondràna
Taona dimy taorian'ny nanombohan'ilay raharaha, farany dia nolavin'ny fitsaràna Makedoniana ihany ny fandravàna didy nangatahan'ny mpikatroka iray voaheloka ho nanàla baràka ny mpanolotra fandarahana amin'ny fahitalavitra mpomba ny fitondràna
Mpanoratra Ejipsiana, Ahmed Naji Voasazy Higadra Roa Taona Noho Ny Tantarany “Ara-nofo Mibaribary”

Nahazo sazy roa taona an-tranomaizina ilay Ejipsiana mpanoratra tantara, Ahmed Naji noho ny famoahana toko misy tantara "ahitana vetaveta mivandravandra" tao anaty gazetiboky.
Mpanao Gazety Notoriana Ho Manendrikendrika Ny Praiminisitra Ao Timor Leste Ho Manao Kolikoly
Fanindroany izao no nisy mpanao gazety niatrika fitoriana teny amin'ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tamin'ny tatitra fisian'ny zavatra tsy mazava loatra tamin'ny tetikasa fampitaovana ara-tsolosaina tao amin'ny Minisiteran'ny Tetibola.
Hihaona Any Portiogaly Hifanakalo Hevitra Momba Ny Media Azo Atao Safidy ireo Fikambanan'ny Media Iberiana
Hifampizara raikefa ireo media azo atao fanolo avy any Portiogaly sy Espaina satria "tena maika ny hiadiavantsika làlana hifandraisana sy hamokarana ary hampitàna ny torohay/vaovao."
Fanakatonana Tampoka Ny Sisintany Nampihitsoka Afghana Mpitsoa-Ponenana An'Arivony Ao Gresy
Ao Idomeni, tanàna kely iray manasaraka an'i Gresy sy i Makedonia, dia pasipaoro iray ihany no hany fanantenana ahafana miampita.
Veracruz, Tanànan'ny Loza Rehetra Ho An'ireo Meksikàna Mpanao Gazety : 18 No Maty Hatramin'ny 2000
Tonga manatevina ny lisitra mampalahelo ananan'ilay firenena tena mampidi-doza indrindra ho an'ny mpanao gazety ao Amerika Latina, Meksika, ny famonoana an'i Anabel Flores
Zavatra Tokony Helohina. Angatahan'ny Filohan'i Shina Ho Boloky Mpampita Ny Tondrozotran'ny Antoko Ireo Mpampahalala Vaovao
"Rehefa miasa ho amin-javatra hafa ankoatry ny tombontsoan'ny vahoaka ireo mpampahalàla vaovao, dia tsy raharahaina sy adinoina ny vahoaka."
Filma 16mm Mahavalalanina Avy Tao Japan, Hong Kong Ary Azia Tamin'ny Taonjato Lasa Teo
Namoaka raki-dahatsary mitantara ny fiainana tany Japan sy ny faritra hafa tao Azia nandritra ny fiposahan'ny fiovana ara-toekarena teo amin'io kaontinanta io Michael Rogge.
Gazety Iraniàna Manangona Ireo Fanararaotana Sy Fitondra Tsy Mendrika Atao Amin'ny Ankizy Afgàna Any An-tsekoly
“Tsy misy mihitsy torolàlana ofisialy manome alàlana ny herisetra ara-bàtana atao amin'ireo Afgàna mpianatra. Ny fomba fijerin'ny fiarahamonina no olana”
Ary Hitan'ny Filohan'i Venezoelà Ny Facebook 10 Taona Taty Aoriana
“Te-hanamafy ny asako manokana amin'ny tambajotra sosialy aho ary manomboka androany dia hanoratra ao amin'ny kaontiko Facebook”, hoy ny fanambaran'ny filohan'i Venezoelà nandritra ny "dingana voalohany" nidirany tamin'ny tambajotra. Ary dia toy izao ny zava-nitranga.