Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2017

31 Aogositra 2017

Bangladesh: Zavamahadomelina, Fananahana, Fahalalahan'ny Asa Fanaovangazety, Voankazon-dririnina, ary Tigatra Mihinana Olona

"Raha mamita-tena ireo Bengalis ôrtôdôksa amin’ny fieritreretana fa ny tsy fanononany ny firaisana ara-nofo amin'ny zanany no mahatonga ireto farany tsy hanao izany, dia miaina ao anaty tontolon'ny nofy izy ireo", hoy i Captain Chaos.

Cándido Ríos, Mpanao Gazety Meksikana Nisy Namono : ‘Tsy Mitifitra Amin'ny Bala Ny Fitaovam-piadianay Fa Mitifitra Mahitsy’

"Nahatonga azy ho nalaza teo anivon'ny mpamaky ny ezaka nataony tsy misy fitsaharana mba hanamelohana ny tsy rariny, sy hahazo fahavalo tahaka ny ben'ny tanàna teo aloha tao Hueyapan fonenan'i Ríos ihany koa, izay nandrahona azy ho faty imbetsaka."

30 Aogositra 2017

Lahatsary : Ireo Fandaharana Fampahafantaram-baovao Ho An'ireo Tanoran'ny Kids News Network

Manome fahafahana ireo ankizy any amin'ireo firenena samihafa mba hijery ireo fandaharana mikasika ny zava-misy natokana indrindra ho azy ireo, amin'ny fahitalavitra na amin'ny aterineto, mba ho afaka mikaroka sy mizara amin'ny aterineto ireo heviny, ny tambajotra Kids News Network.

28 Aogositra 2017

Miaraha aminay Mivantana! Iraka: Milaza Ny Tena Tantara Marina Ve Ny Fampitam-baovao?

Kitiho eto raha hiaraka aminay hifanakalo hevitra mivantana izay ahitana raha toa ka tena mitati-baovaon'i Irak tsy misy fitongilanana ny fampitam-baovao. Azonao atao ny mijery na mihaino mivantana ao amin'ny habaka ary miditra amin'ny fifanakalozan-kevitra antserasera mba hanehoanao ny fomba fijerinao.

Zeorzia: Ny Kolontsain'ny Demaokrasia

Maneho hevitra mikasika ny endriky ny demaokrasia any Zeorzia ny Steady State.....

Ngonongonona Ao Afganistana: Fanabeazana, Mozika, Natiora Mahafinaritra Ary Fahalalahana

Miresaka ny toe-javatra mampalahelo momba ny rafi-pampianarana ao Afganistana i Sun Leaf [En] ao amin'ny blaoginy

Maraoka: Herinandron'ny ”Vao Sambany”

(Lahatsoratra tamin'ny Mey 2007) Tamin'ity herinandro ity, tao amin'ny tontolon'ny bilaogy amin'ny teny anglisy ao Maraoka, dia resahana be ny mikasika an'i Rachida Dati, ilay sambany minisitry ny fitsarana frantsay manana fiaviana teratany afrikana tavaratra, nandray ny andraikiny tamin'ny 18 Mey 2007. Mpitsara 41 taona i Rachida Dati, Maraokana ny rainy, ary...

Ireo Palestiniana Mpanao Gazety Indray No Lasa Lasibatra Voalohany Tamin'ilay Lalàna Hiadiana Amin'ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Noho ny "famoahana vaovao ho an'ireo vondrona mpanohitra", nampangaina tamin'ny alàlan'ilay lalàna vaovao mifehy ny heloka bevava atao amin'ny aterineto vao avy nankatoavina ireo mpanao gazety.

23 Aogositra 2017

Amerika Latina: “Reporting On”, Twitter Vaovao Ho An'ny Mpanao Gazety

Nisy vokany lehibe teo amin'ny vohikalam-baovao maro naniry haka tahaka ny fahombiazan'ny Twitter : hafatra fohy nalefa avy amin'ny fitaovana maro (solosaina, finday, hafatra eo noho eo) ho an'ny mpisera voafetra. Iray amin'ireo tranonkala nandika ny raikipohy ny Reporting On, karazana Twitter ho an'ny mpanao gazety...

22 Aogositra 2017

Maraoka: Ary Ny mpandresy Dia…..

Natao tao Casablanca tamin'ny 31 Janoary ny andiany faharoa tamin'ny Maroc Blog Awards (Fifaninanana Bilaogy). Natao ho an'ireo bilaogy Maraokana tsara indrindra (sy ho an'ireo bilaogera manoratra manokana momba an'i Maraoka ihany koa) izay nosokajiana ao anatin'ny loka miisa telo ambin'ny folo. Indro ny lisitry ny mpandresy: