Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2019

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2019

Nitombo ny fihetsiketsehana manohitra ny trano foibe famoaham-baovao iray any Pakistan

Miha-mahazo fandrahonana hatrany ho voatafika noho ny antony politika ilay gazety lohalaharana amin'ny teny Anglisy mpivoaka isan'andro Dawn.

Voaheloka ireo atidoha tao ambadiky ny vono olona tany Ampatuan saingy mbola mitohy ny ady amin'ny tsimatimanota ao Filipina

Nanome hery anay, nanamafy ny fahabetsahanay ny folo taona farany. Taorian'ny famonoana, dia mbola nitohy ny famonoana mpanoratra gazety. Dimy ambin'ny folo tamin'ireo mpiara-miasa aminay no voatifitra teo ambanin'ity fitantanam-panjakana ity.

Mombamomban'ny vehivavy iray mpanome vaovao an'i Kremlin

imailaka toa avy ao anivon'ny Kremlin, mamaritra ireo hetsika politikan'ny blaogera malaza sy mpanao gazety ara-politika, no navoakan'ny vondrona Anterineto Rosiana iray,

Governemanta ao Nizerià, mandidy ny hamotsorana an'i Omoyele Sowore, mpanao gazety sy mpikatroka ho an'ny zon'olombelona

Ny Aogositra i Omoyele Sowore no nosamborina rehefa nampangaina ho namadika, nanao famotsiambola ary nila vaniny tamin'ny filoha Muhammadu Buhari tao Nizerià. Nidoboka am-ponja izy na nisy aza ny didim-pitsaràna navoaka nandidy ny hamotsorana azy.

Tambajotram-panoratan-gazety vaovao nivoady ny hampiroborobo ny fahalalahan-gazety sy fampitam-baovao mahaleotena ao Kambodza

"Tsy ampy fiarovana ary ambany fandrahonana hatrany ny gazety malalaka eto amintsika."

Ny fifaningoran'ny ‘kawaii’ sy ny kolontsaina pelaka Japoney

Fa ampahany lehibe amin'ny asan'i Rune izay tsy dia resahina firy ny asa nataony ho an'ny gazetiboky Barazoku (1971-2008). Barazoku no gazetiboky voalohany amidy ho an'ny rehetra eny an-tsena natokana ho an'ireo lehilahy voasinton-dehilahy amin'ny resaka fananahana tany Japana.

Nanoloana ireo fanivaivàna feno fanavakavahana, namoaka karatra mena ity klioba Katalàna mpilalao baolina kitra ity taorian'ny nandroahana ilay ekipan'ny tranainy

"Miverena any an-dakozia, ndeha mamafa trano, kisoa, tay ianareo" : toy izany no fomba itondran'ireo tranainy ireo tovovavy mpiray klioba amin-dry zareo.

Miafina ao ambadiky ny fahalalahana miteny ny vaovao diso sy ny kabarim-pankahalana hoy ilay mpanao gazety Sloveniana

"Raha milaza ianao fa apetrako eo amin'ny rindrina ireo mpifindra monina ary hotifiriko",dia tsy hanenjika anao ny tribonaly. Tafatafa notontosain'ny Meta.mk tamin'i Robert Boteri, Talen'ny famoahana ao amin'ny Mladina, gazetiboky Sloveniana.

Tian'ireo shinoa manampahefana omena valisoa izay mpisera anaty aterineto ka manapariaka “vaovao tsara”

Amporisihan'ny birao shinoa misahana ny aterineto ireo orinasa misehatra amin'ny teknolojia mba hanome valisoa ireo "manapariaka vaovao tsara". Tsy miombona amin'ny famaritan'ny governemanta ny atao hoe vaovao tsara ireo shinoa mpampiasa aterineto

Niparitaka be ny sarin'ilay polisin'ny fifamoivoizana tany Maputo tao anaty orana

Tsy nampihontsona ilay polisin'ny fifamoivoizana ny orana.