· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Janoary, 2008

Brezila: Ho Fampitam-baovao ekena amin'izay ve?

  30 Janoary 2008

Cardoso [pt] izao manko no iray amin'ny mpamaham-bolongana nasaina hamahavaha ny momba ny “Firohotana ho amin'ny blaogy (bolongana) – izao ve ny fotoana hanekena azy ho fantsona fampitam-baovao?” izay hanatontosana any Brezila amin'ny volana marsa ny fihaonambe faratampony iraisam-pirenena mikasika ny fifandraisana niomerika. Nolazainy fa tena zava-dehibe tokoa ity fihetsiketsehana ity...

Maraoka: Vaovao farany mikasika ny sivana

  26 Janoary 2008

Taona nisavoritaka ho an’ny fahalalahana anivon’ny aterineto maraokana ny 2006, noho ny fisian’ny vohikala voatohana tsy hipoitra. Mbola tsy tsara noho izany koa ny taona 2007 raha zara fa navela notopaza-maso tsindraindray indray ny vohikala azo nojerena mandava-taona teo aloha. Moi, dans tous mes états (fr) no namintina  tamin’ny lahatsorany...

Trinite sy Tôbagô : “Taranaka” nangalarina ?

  25 Janoary 2008

Jumbie's Watch no mitatitra momba herisetra nitranga tany am-pianarana tany Trinite sy Tôbagô : Today I saw an article about a boy, a schoolboy in school, beating a fellow student and her pregnant mother ! […] How and when did society ‘tief’ our children, and their innocence? And how did...

Kambôdza : Fiainana andavan'andro an-tsary HDR any Phnom Penh

  24 Janoary 2008

Mythical Dude mpiblaogy mipetraka any Phnom Penh no manapariaka tahala-tsary HDR/GGD mampiseho ny fiainana andavan'andro izay nangoniny, ao amin'ny pejiny ao amin'ny vohikala Flickr. [FANAMPIM-PANAZAVANA : ny HDR na GGD (High Dynamic Range photography | Imagerie à Grande Gamme Dynamique) dia fitambarana teknika ampiharina amin'ny sary amin'ny alalan'ny solosaina izay ahafahana manome sanda...

Brezila : Ny filazam-baovao no nampikorakapa ny resaka tazovony

  24 Janoary 2008

Nabaribarin’i Luiz Carlos Azenha [pt] ilay filazam-baovao nampikorapaka ny rehetra milaza ny tokony hanaovana ny vakisiny itambaram-be hiarovana amin’ny tazovony no mailaka amin’ny fanakianana ny governemanta ankehitriny. “jereo ny fomba ankolaka ataon’ny [gazety] Estadão, fa tsy misy mihitsy ny filazana ny andraikitry ny filazambaovao tamin’ny fampikoropahana ny olona tahaka ity...

Kazakhstana : Mpanao gazety Alemàna nisy nanafika tany Astana

  23 Janoary 2008

Ben no mitatitra fa ny mpanao gazety Alemàna Marcus Bensmann dia naratra mafy rehefa avy notafihin'olona tany Astana, renivohitry Kazakhstana : Marcus Bensmann has made his name in the wake of the Andijan tragedy in Uzbekistan in 2005. He was one of the few journalists to witness the scenes on...

Shina: Fitombon'ny mpivoivoy amin'ny aterineto

  22 Janoary 2008

Navoakan'ny Foiben'ny Fifandraisan-davitra sy filazam-baovao any Shina tamin'ny herinandro lasa teo ny mombamomba ny fivoaran'ny Aterineto any. Voambara ary fa nahatratra 210 000 000 ny isan'ny Olonineto (mpivoivoy amin'ny aterineto) tamin'ny taona 2007 ka nolazana fa ny nampitombo be dia be io isa io dia noho ny fitombon'ny tambanivohitra niditra...

Kioba : Fifidianana sy ethanol

  22 Janoary 2008

Manorotoro ny fomba fifidianana ny mpikambana parlemanta Kiobana i Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) ary indro kosa ny nampitain’i The Cuban Triangle  mikasika ny “fiaraha-miasa ara-toe-karena eo amin’ny Kioba sy Venezoela vokatry ny fifanarahana hiaraka hanao tetiksa miisa 76 mitentina $1.300.000.000 nosoniavina omaly.”

Etiôpia : Tapaka ny radio “Voice of America” !

  18 Janoary 2008

Tedla Asfaw no mitatitra ao amin'ny African path ny fanapahana ireo onjam-peon'ny radion'ny “Voice of America” any Ethiopia: VOA Amharic, Oromiffa and German Amharic have been jammed in Ethiopia and callers from Ethiopia are calling and tell their frustration and it seems now VOA is looking for possible solution. “Ny...

Mametraka rafitra vaovao ireo mpanao gazety any Kôngô-Brazzaville

  16 Janoary 2008

Ao anatin'ny ezaka mba hitazonana ny maha-matihanina sy ny fanajanà ny asa dia fikambanana hoan'ny mpanao gazety roa no indray niforona any Pointe-Noire, Republikan'i Kôngô arak'izay tataitra nataon'i Congopage : « L’Association des Médias Privés du Congo » et le « Club de la presse de Pointe-Noire ». Si ces structures...