Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2017
Côte d'Ivoire : An-dàlana Ny Fanavaozana Tena Ilaina Ao Amin'ny Tafika
Miverimberina foana ny resaka mikasika ny fitakiana ara-pitaovana ataon'ny tafika nanomboka tamin'ny fialan'i Côte d'Ivoire taminà ady sivily naharitra folo taona, tamin'ny 2011.
Mbola Mpianatra Izy, Kanefa Nahavita Nandroaka Manampahefam-panjakana Ambony Ity Mpanao Gazety Slovenina Ity
Nanjary olo-malaza tampoka teo i Lea Majcen, mpanao gazety ao Slovenia, rehefa nahasanganehana an'ilay manampahefam-panjakana Tilen Smolnikar tamin'ny fanontaniana tsotsotra tamin'ny antsafa momba ny asany amin'ny maha filohan'ny sehatry ny angovo azo havaozina azy ao amin'ny firenena.
Ao Anatin'ny Toeran-Tsarotra ny Twitter Ao Rosia

Nahoana ny Twitter no mankatoa ny fitakian'ny Kremlin hanivana sioka ao anatin'i Rosia? Satria sarotsarotra ny fandidiana.
‘Maridrefy Avy Amin'ny Helo': Lahatsary Fanadihadiana Momba Ny Olana Amin'ny Rafi-pamonjàna Meksikana
"...ampahany kely amin'ny kolikoly rehetra manjaka ao amin'ny rafi-pamonjàna Meksikana."
Mitombo Ny Ahiahy Eo Am-piandrasana Ny Didim-pitsarana Ho An'ny Fantsona Fahitalavitra Lehibe Indrindra Ao ZeorZia,
"Ny #Media no mpiara-dia voajanahary amin'ny fiarahamonina. Mety ahitana lesoka izy!...Ary aza mba manao fahadisoana mihitsy, izay efa nataon'ny mpifanandrina taminareo. Tohano ny #Rustavi2"
Tonga Ao Pôrtô Rikô i Oscar López Rivera Saingy Mbola Migadra Amin'ny Trano Ambenana Manokana Mandra-pahavita ny Saziny
Hifarana amin'ny 17 Mey ny saziny.
Milaza Ny Vondrona Media Thailandey Fa Mety Hitarika Ho amin'ny Fifehezan'ny Governemanta Tanteraka ny Media ny Volavolan-dalàna Iray
"Tsy anisan'ny fahalalahan'ny gazety velively ny fisian'ny governemanta ao anatin'ny rafitra fanaovan-gazety sy ny fanomezana lisansa mpanao gazety."
Mampihena Ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao Ve i Tonizia?

Tamin'ny taona 2016, nampiditra lalàna momba ny fahazoam-baovao i Tonizia, saingy mbola voafetra ny fampiharan'ny governemanta izany.
Nalaza ny Fampivadian'ny Iraniana An'i Iran sy i Etazonia Tamin'ny Alalan'ny #LoveBeyondFlags
Mba hanoherana ny kabary tsara lahatra feno fankahalana eo amin'ny fitondram-panjakan'izy ireo sy hanehoana ny fankasitrahan'ny Iraniana amin'ireo Amerikana mpanao fihetsiketsehana izay nitsangana nanohitra ny fandraràna fivezivezena nosoniavin'i Trump, nataon'ny Iraniana malaza tao amin'ny Twitter ny #LoveBeyondFlags [Fitiavana Mihoatra ambadiky ny Faneva]
Mitsipaka ny Lalàna Mety Hitarika Mankany amin'ny Kolikoly ny Filoha Vaovao ao Bolgaria
Ny fanitarana ny fe-potoana ho tsy manam-pahataperana dia fomba hanomezana ho an'ny tsy miankina ny tolotra, ny zo ary ny asa, izay iantohan'ny fiarahamonina ho an'ny olom-pireneny nefa tsy amidy ireo!