· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2018

Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie

Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray hafa izy io, an'i Renata Avila, mikasika ny poezia sy ny teny espaniola [teny frantsay], mampiseho an'ireo Sahraouis izay manao blaogy amin'ny teny espaniola. Samy nampisy fanehoankevitra marobe avokoa izy roa ireo, na tsara na ratsy.

30 Novambra 2018

Britney Spears Miozolomana?

Satria tsy ampy ny tabataban'ny media manodidina azy, ny vaovao farany dia hoe mihevitra hivadika ho Silamo i Britney Spears mba hanambady ilay sakaizany paparazzo teratany Pakistana, Adnan Ghalib. Niresaka momba izany ireo bialogera Afovoany Atsinanana sy Afrikana Avaratra.

20 Novambra 2018

Misafidy i Ekoatora

Taona nisiana fifidianana niteraka adihevitra sy noresahina be manerana an'i Amerika Latina iny. Raha toa ka misento amin'ny fahatoniana ireo mpanaramaso ny fifidianana taorian'ilay famaranana taraiky ny fandresen'i Felipe Calderón izay niteraka adihevitra be tany Meksika, efa fotoana sahady hieritreretana an'i Brezila, Venezoela, Nikaragoa sy i Ekoatora izao;

11 Novambra 2018

Palestina: Hatezerana Noho ny Nahafatifaty Fahatany Zazalahy kely Iray

Araka ny tatitra iray nataon'ny BBC News, nitifitra zazalahy kely iray 10 taona ireo miaramila israeliana ary nahafaty azy nandritra ny fihetsiketsehana nanoherana ny sakana najoro tao Naalin. Na dia nitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana hafa tamina bala fingotra aza ireo miaramila ary nandratra olona 18, io zazalahy kely io irery no hany tokana voan'ny bala tena izy.

11 Novambra 2018