Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Avrily, 2019
Nihantsy ny fampahalalam-baovao tsy miankina ny fampahalalam-baovaom-panjakana Rosiana noho ny fampiasana teny ‘tsy mitanila’ amin'ny tati-baovao momba ny ady amin'ny mpampihorohoro

Nandrehitra ny adihevitra momba ny fiteny "tsy maha-olombelona" tamin'ny tati-baovao momba ny fampihorohoroana ny siokan'ny RT. Niaro ny fanapahan-kevitry ny RT ireo mpomba ny fanjakana amin'ny fampiasana ny teny toy ny hoe "nofongorina" sy ny tsikerany tatỳ aoriana tamin'ny gazety izay tsy mampiasa izany.
Syria: Fitanjahana sy ny fahasimban'ny fitondrantena
Fitanjahana firy amin'ny fahitalavitra no azo raisina ho toy ny zavakanto, ary firy amin'izany no mandray anjara amin'ny famotehana ny fitondrantena? Miezaka mamaly ity fanontaniana ity ilay bilaogera Syriana Emad [Ar]:
Shina: Lany andro ny bilaogy?
Tamin'ny volana jolay, nanambara i Maitian, bilaogera mavitrika fa lany daty ny fibilaogina ary nanapa-kevitra hivadika ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy izy mba hifandray amin'ny namany.
Arzantina: We Media 2008 ao Buenos Aires
Notontosaina voalohany indrindra tany Amerika Latina ny fihaonambe We Media, ny tanànan'i Buenos Aires, Arzantina nno nampiantrano izany ny 14 ka hatramin'ny 15 Oktobra 2008.
Naneho hevitra momba ny horohorontany tany Haiti ny bilaogera Rosiana

Horohoron-tany mahery vaika tany Haïti no nanjary loza voalohany manerantany tamin'ny taona 2010. Na dia lavitry ny loza aza ireo bilaogera Rosiana, dia nirohotra naneho ny fanohanan'izy ireo [RUS] ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany. Tsy ela dia nanjary iray tamin'ireo lohahevitra noresahana be indrindra tao amin'ny RuNet ny zava-doza tao Haiti.
Notanan’ny Fampanoavana miaramila vonjimaika nandritra ny 15 andro ilay bilaogera Ejipsiana Alaa Abdel Fattah

Notanana ny Alahady 30 Oktobra (2011) ilay bilaogera Ejipsiana efa tranainy Alaa Abdel Fattah (@alaa) nandritra ny 15 andro taorian’ny nandàvany ny fakàn’ny miaramila mpanao fanadihadiana am-bavany azy , izay nitakiany ny zony hotsaraina eo anoloan’ny fitsarana sivily.