· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2010

Kazakhstan: Akon'ny Fihaonamben'ny OSCE

  31 Desambra 2010

Hatrany amin'ny fisasahan'ny taona 2000 tany i Kazakhstan no efa nikendry fatratra ny hitarika ny Fikambanam-piaraha-miasa sy Filaminana ao Eraopa, na OSCE, fikambanana iraisam-pirenena isan'ny lehibe indrindra mpandàla ny demaokrasia eo amin'io kaontinanta io. Betsaka tamin'ireo firenena mpikambana no nanatsiny ilay fikasana noho ny faharatsian'ny fanajàna zon'olombelona misy any Kazakhstan.

Wikileaks, Thaileaks, Indoleaks, Pinoyleaks

  29 Desambra 2010

Misy dikamitovy (clones) nalaina avy amin'ny Wikileaks any Azia Atsimo Atsinanana: Thaileaks avy ao Thailand, Indoleaks ao Indonesia ary PinoyLeaks avy any Philippines. Ireo vohikala ireo dia natsangana : novelomina indray tamin'ity volana ity ho fanohanana ny asa natomboky ny Wikileaks ary hamoahana ny antontan-taratasy tsiambaratelon'ny governemanta any amin'ny fireneny tsirairay avy.

Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy

Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin0ny aterineto, saingy nisy fitoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy any Oman) mba hitoraka bilaogy sy hanokatra adihevitra ho an'ny daholobe eo amin'ny firenen-dry zareo, amin'ny fanamafisana fa "ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika".

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

  24 Desambra 2010

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.