Bolivia: Mpanaramaso ny Fahitalavitra Boliviana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity).

Mbola tsy nahatratra ny tahan'ny loharanom-baovao voalohany ny bilaogy ao Bolivia mba hifaninana amin'ireo endrim-pifandraisana hafa. Mbola manjaka ny fahitalavitra amin'ny fomba fahazoan'ny olom-pirenena ny vaovao sy hanarahan'izy ny zava-mitranga ankehitriny. Ny bilaogy La TeVelisión [ES], nosoratan'i Rodrigo Serrate, dia mikendry, araka ny teny filamatrany hoe, «ho an'ny fahitalavitra tsara indrindra mendrika antsika». Tsy mamela ny ara-politika ho afa-bela ny tsikerany sy ny fijeriny momba ny toetry ny fahitalavitra Boliviana .

Namoaka lahatsoratra mikasika ny olana niteraka ahiahy lehibe teo amin'ireo bilaogera i Serrate. Tamin'ny lahatsoratra tany am-boalohany tao amin'ny Global Voices, tsy faly tamin'ny fanapaha-kevitra noraisin'ny fantsona fahitalavitra tantanin'ny fanjakana mba hanova ny fangon'ny loko telon'ny sainam-pirenena Boliviana ny bilaogera. Fa fango mifanakaiky amin'ny sainam-pirenena whipala no nasolo izany, izay nampitaraina ny maro, satria tsy misolo tena ny firenena manontolo. Nahatsikaritra avy eo i Serrate fa niala tamin'ny fanapahan-keviny ny fantsona ary nampiditra fango vaovao izay miverina amin'ny loko telon'ny sainam-pirenena Boliviana. Nankasitraka izany fanapaha-kevitra izany izy, na dia malahelo aza fa tsy maintsy soloina indray ny rehetra, ny mikrôfôna sy ny fitaovana hafa nisy ny fango teo aloha.

Tamin'ny lahatsoratra vao haingana indrindra, naka pikantsary tamin'ny vaovao tamin'ny fantsom-pahitalavitra Sitel i Serrate. Tamin'ny tantara momba ny kolikoly nampiadihevitra vao haingana tao amin'ny antokony izay nahasaringotra ny filoha Morales, nampiarahan'ny fantsom-baovao tamin'ny sariitatra misy an'i Morales tezitra ny tantara. Nanoratra izy fa nilaza ny vaovao hoe, “tahaka izao ny filoha Evo Morales Ayma taorian'ny raharahan-kolikoly…” Ny lohatenin'ny lahatsorany dia hoe “Vaovao Izany?” manasongadina fa tsy misy fomba hiasan'ny fantsom-baovao.

Tanta gente que egresa como periodista y se muere de hambre por no conseguir trabajo en un medio de comunicación, especialmente en television, ya es hora que a los ineficientes se los bote y se de oportunidad a nueva gente llena de ideas y mejor preparación.
En caso de Sitel, a todo el mediocre equipo de prensa le hace falta una limpieza y por supuesto, al propietario algo mas de conciencia.

Marobe ireo manana diplaoma momba ny asa fanaovan-gazety izay miady mafy mba hahita asa ao amin'ny haino aman-jery, indrindra amin'ny fahitalavitra. Fotoana izao hialàna amin'ny tsy fahampian'ny olona ary mampiditra olona vaovao manana hevitra marobe sy fiofanana tsara. Mikasika ny raharaha Sitel, tokony esorina ireo ekipam-baovao manontolo tsy dia mahafehy ny asa, ary tokony hahatsapa tsara ny maha zava-dehibe ny asa ny tompon'ny fantsona.

Ao amin'ny efijery lehibe, manome ny fandalinany manokana momba ny sarimihetsika Boliviana vao haingaina indrindra antsoina hoe Los Andes No Creen En Dios (Tsy Matoky An'Andriamanitra ny Andes) natao tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 i  Luis Rodríguez of Diseccionando a la Musa Perdida [ES]. Na dia tsara kalitao aza ny famokarana, ary indrindra ny feo, tsy dia nanintona ny teatiran'i Rodriguez, satria nanana olana teo amin'ny soratra sy ny mpilalao izy.

O una supuesta cholita que se expresaba igual que las actrices de Televisa. No es que tenga algo en contra de esa mega productora de novelas, sino que la actriz encargada de representar a una cholita encarnó a la típica, cruel y malvada, madrastra que lucha por la fortuna del moribundo marido, y que no sabe más que responder a gritos con un tono de voz a la defensiva. Y pasó eso durante toda la película. Las cholitas no hablan ni gesticulan así, tampoco creo que vean muchas telenovelas. Al menos no en la década del veinte

Miresaka mitovy amin'ireo mpilalao sarimihetsika Televisa ilay lazaina fa cholita (vehivavy indizeny). Tsy hoe manohitra ireo famokarana tantara mitohy aho, saingy ilay mpilalao sarimihetsika cholita dia mitovy amin'ilay rafozan-doza masiaka izay manenjika ny harenan'ny vadiny, ary tsy mahay mamaly afa-tsy ny mitabataba amin'ny feno miaro-tena. Nitranga nandritra ny sarimihetsika manontolo izany. Tsy miresaka tahaka izany i cholitas na manao fihetsika tahaka izany, ary tsy mino koa aho fa mijery tantara mitohy betsaka izy ireo, indrindra nandritra ny taompolo 1920.

Tamin'ity indray mitoraka ity, tamin'ny herintaona:

Namoaka lahatsoratra momba ny “Charango Controversy,”i Miguel Esquirol of El Forastero, ary gaga ny ankamaroan'ireo Boliviana raha nampahafantatra ilay mpihira U2, Bono, miaraka amin'ny charango fitaovana teratany Shiliana ny filoha Shiliana Michelle Bacheletas. Maro ireo mandray izany fitaovana izany ho mampiavaka ny Boliviana. Ankoatra izany, notakonan'ny daroka baomba hafahafa sy mampalahelo tao La Paz izany adihevitra izany, izay hita porofo fa manana fototra hafahafa ilay kamikazy (mpidaroka baomba), ary nanoratra momba izany ny bilaogera marobe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.