Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2020

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Janoary, 2020

Mpanora-gazety Thailandey voasazy noho ny lahatsoratra Twitter fifandirana arakasa nataony tamin'ny taona 2017

"Avo ny fanivanantena eto Thailandy... Rehefa rarànao ny fahalalaham-pitenenana... rarànao ny fiarahamonina misokatra."

Torolalàna ho anao momba ny fifidianana ho filoham-pirenena 2019 ao Sri Lanka

Ny 16 Novambra 2019, handatsa-bato hifidy filoha vaovao ireo Sri Lankey. Fantaro bebe kokoa ny mikasika ireo mpilatsaka ho fidiana ary jereo ato ny lisitry ny vaovao tsara ho fantatra.

Mametraka fitarainana ny Istinomer , sampandraharaha Serba iray misahana ny fanamarinana haingana ny zava-mitsy taorian'ny fanafihana informatika mahery vaika.

Nangataka fanadihadiana iray hamoahana ny mombamomba ireo nibaiko ilay fanafihana sy namatsy vola ny teknolojia nanaovana izany ny Istinomer.

Navoaka ny fonja ilay vazimba Goatemalteka mpanora-gazety voampanga ho manao fampihorohoroana

Ao Goatemalà, nosamborina araka ny lalàna iray mampisalasala ny vazimba iray mpanora-gazety.

Ogandà : Ny olan'ny vondrom-piarahamonina no ho fototry ny tantara an'onjampeonay

Taorian'ny fanaovana fikarohana teny an-kianja, nataon'ny tetikasa ogandey iray "Common Community", dia manoratra tantara iray fandefa amin'ny onjampeo, iresahana fotsiny ny toerana misy ny demaokrasia ao Ogandà ilay tarika.

#WithSyria (Miaraka amin'i Siria) mba hitsahatra ny fandarohana baomba an-jambany ny sivily siriàna

Sonia 100.000 no kendren'ny fanentanana #withSyria (miaraka amin'i Siria) ho azo mba ho henoin'ireo mpitondra erantany ny feony, ka mba hihetsika izy ireny hampitsaharana ny daroka baomba tsy mitsahatra atao an-jambany amin'i Siria.

Hatramin'ny niarovany ny fahalalahana maneho hevitra, nodian'ny mpilaza vaovao tao Makedonia fanina ilay mpihira hip-hop malaza

Artista iray azo lazaina ho malaza amin'ny hip-hop no nahita ny fihitsohan'ny lazany tampoka rehefa avy namoaka ny hirany sy ny lahatsariny miresaka momba ny fahalalahana maneho hevitra