Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Septambra, 2023
Ireo vokatry ny fanavakavahana amin'ny aterineto sy fitondrana jadona ho an'ireo vitsy an'isa
Any amin'ny ankamaroan'ny firenena, ny telo ampahefatra na mihoatra izany amin'ireo lasibatry ny fankahalana an-tserasera dia anatinà vondrona vitsy an'isa daholo, ary ny vehivavy no tena lasibatra be indrindra amin'izany.
Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel
Toa manamora ny firongatry ny vondrona jihadista ao Sahel ny fanonganam-panjakana misesy, arahin'ny fialan'ny tafika iraisam-pirenena.
Mafanavay ny adihevitra ny zom-pirenena Frantsay an'i Andry Rajoelina eto Madagasikara
Adihevitra eto Madagasikara: araka ny lalàna, ny fananana zom-pirenena hafa dia manafoana ny zom-pirenena malagasy, izay ilaina amin’ny fifidianana. Manana pasipaoro frantsay anefa ny kandidà Andry Rajoelina.
Noho ny sivana atao amin'ny solika fôsily, manao ankivy ny valisoa fanomen'ny haino aman-jery ireo Aostraliàna mpanao sariitatra
"Taona 2023 izao, ary tsotra fotsiny tsy azo ekena ny hoe ny loka ambony indrindra amin'ny asa fanaovan-gazety Aostraliana dia tohanan'ny solika fôsily, tsy misy mari-pankasitrahana manokana ho an'ny asa fanaovana gazety famoaham-baovao mikasika ny toetrandro"
Tondradrano no mariky ny fiovan'ny toetrandro iainan'ny ambanivohitra ao Trinidad, fa misy antony fanampiny koa
"Efa miaina ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro i Trinite sy Tobago, toy ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ny fiakaran'ny maripana iainana ankapobeny ary ny rafitra toetr'andro mahery vaika.."
Teboka itodihana: Inona no hovakiana hahatakarana ny adihevitra mialoha fifidianana eto Madagasikara
Mba hahazoana fahatakarana bebe kokoa ny maha zava-dehibe ity fifidianana ity, dia namorona torolalana kely ny Global Voices manasongadina ireo loharanom-baovao mendrika hodinihina mba hanarahana ny vaovao malagasy.
Minisiteran'ny ny Fambolena ao Kambodza, mandrahona hanejika ny CamboJA news eny amin'ny fitsaràna
"Ao anatin'io rafitra io, ny andrasana amin'ireo mpanao gazety dia ny hanaraka ny voafaritry ny fahefana fa tsy ny hanohitra azy ireo"
Gabon, fanokanana ny filoha vaovaon'ny tetezamita, ary famoahana ilay filoha voaongana
Tao anatin'ny lahateniny voalohany dia nanome toky ilay lehilahy vaovao matanjak'i Gabon ny hanomana fifidianana faran'izay haingana indrindra, hamerenana indray ny fahefana amin'ny sivily.
Ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro amin'ny tantsaha ao Tobago
Anaty toetr'andro maina be amin'ny fotoam-pitomboana sasany na fivangongoan-tany be loatra, rehefa misy rotsak'orana mahery vaika, no mampihena ny vokatra
Nilazàna ny governemanta maleziàna mba hampitsahatra ny filalaovana ny ‘Big Brother’ amin'ny media
"Ny tena mampanahy dia ny zavamisy hoe tatitra fotsiny sy ampahan-kevitra lazaina fa manakiana ny governemanta ny ankamaroan'ireo votoaty tondroina ho 'manafintohina"