Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Janoary, 2023
Manamafy ny feon'ny fiarahamonimpirenena ny tambajotra sosialy ao Togo
Manampy ireo mpitarikevitra any Togo hamadika ny tambajotra sosialy ho tena sehatra fampiroboroboana ny fampiasana aterineto. Manararaotra izany ireo mpanao gazety sy mpikatroka amin'ny fiarahamonimpirenena mba hampiakarana ny feony.
Manome fanorisorenana an'ireo mpanao gazety tsy miankina ao amin'ny Twitter ny Filoha Bukele ao El Salvador
Notafihan'ny fitondran'i Bekele sady nalany baraka ireo mpanao gazety tsy miankina noho ny fampibaribarian'izy ireo ny kolikoly ao amin'ny governemantany, ka nahatonga azy ireo ho hitataovan'ny fandrahonana sy herisetra.
“Ho fahavalon'ny fitondrana Rosiana mandrakizay aho” hoy ilay TikToker ao Moldavia
Ity no tranga voalohany nijoroan'ny TikToker iray monina tany Rosia teo aloha manohitra ny fitondrana Rosiana ampahibemaso ary manohana an'i Okraina.
Arabia Saodita: Antso hamotsorana ireo Saodiana Wikipediana roa
Fangatahana famotsorana an’ireo dokotera Osama Khalid sy Ziad Al-Sufyani, izay nandray anjara tamin'ny Wikipedia Arabo ary samy nogadraina 32 sy 8 taona tsirairay avy any Arabia Saodita.
Undertones ao Pakistan: Miaramila, Vehivavy, Fanevatevana
Mizara ny sasany amin'ireo fitantarana lehibe indrindra nivezivezy tany Pakistan tamin'iny taona iny ny mpikaroka
Mety hanafoana ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ny didim-panjakana vaovaon'i Thailandy
“Fitaovam-pifehezana iray hafa ho an’ny manampahefana hampanginana ireo tsy fitovian-kevitra manakiana, ary taratry ny didy jadona nomerika ao Thailandy” ny didim-panjakana vaovao.
Kosovo: Fanafihana enina natao tamin'ny mpanao gazety tamin'ny volana Desambra rehefa nitombo ny fihenjanana
Tandindonin-doza ny tontolon'ny media ao Kosovo noho ny fanafihana ara-batana vao haingana sy ny fiantraikan'izany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny tatitra momba ny fivoarana any amin’ny faritra avaratry ny firenena.
Undertones any Rosia: Ady, Fampielezan-kevitra, ny Tandrefana
Mizara ny sasany amin'ireo fitantarana matanjaka indrindra miparitaka any Rosia sy izay azontsika antenaina amin'ny taona 2023 ireo mpikaroka.
BBC Bangla: nandefa ny fandaharany farany taorian'ny 81 taona niasàny
Nandritra ireo krizy tao Bangladesh nandritra ny taompolo maro, loharanom-baovao tsy nitanila ny BBC Bangla ary azo nianteherana. Manamarika fiafaràna vanim-potoana iray ny fikatonany
Arabia Saodita: Misovoka ao amin'ny Wikipedia ny mpitsikilon'ny governemanta ary manameloka ireo admins mahaleotena ho any am-ponja
Nisovoka tao amin'ny Wikipedia tamin'ny alalan'ny fandraisana ireo mpitantana ambony indrindra ao amin'ny firenena ho mpitsikilony ny governemanta Saodiana hifehezana ny torohay momba ny firenena sy hanenjehana ara-pitsarana ireo nanome vaovao mitsikera momba ireo voafonja ara-politika