Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2020

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2020

Tsaho toy ny ahoana ireo niely nandritra ny fifidianana filohampirenena 2020 natao tany Taiwan?

"...zavatra kendren'ny ankamaroan'ireo tsaho ny hampizarazara ny fiarahamonina ao Taiwan. Amin'ny fandonana ny fihetsehampon'ny olona sy ny fanasamantsamahana ny fiarahamonina ho lasa ankolafy politika roa mpifanandrina."

Fifanoheran-dresaka any Malezia: Fampielezan-tsaho ve ny lahatsoratra Facebook miresaka coronavirus?

"...tsy ilaina ny fanamelohana olona iray eo ambanin'ny Fehezan-dalàna Famaizana na manaiky aza aho fa ilaina ny fameperana sasany amin'ny fotoan-tsarotra. Tsy misy antony tokony hametrahana ny famerana amin'ny alàlan'ny fepetra famaizana amin'ity tranga ity."

Manao vy very ny ainy amin'ny asa fanaovan-gazety any amin'ny fanjakana anjakazakan'ny mpivaro-drongony mahery

"Marary ny firenena. Midika ny fitantarana izany tantara izany fa ilaina ihany koa ny milaza ny antony mahatonga izany kanefa eo indrindra no manomboka ny olana bebe kokoa."

Ampiasain'ny governemanta kroaty hamatsiana vavahadin-tserasera mampiely vaovao tsy marina ny volan'ny Fiombonambe eoropeana, kianin'ny sampan-draharaha mpanamarim-baovao izany

Vavahadin-tserasera iray malaza amin'ny fanapariahana lainga sy fankahalàna ary fitiava-tanindrazana no nahazo ny famatsiambola natokana ho fanohanana ireo orinasa madinika sy salasalany avy amin'ny tahirimbola eoropeana natao hampivoarana ny isamparitra.

Karaiba mandray matotra ny resaka ‘coronavirus’, manao tohivakana ny fandraràna fivahinianana an-tany hafa

Faritany marobe ao Karaiba — anisan'izany i Jamaika, Antigua sy Barbuda, Bahamas, Dominica, ary Trinidad sy Tobago — nametraka fepetra amin'ny fivahinianana mankany sy avy any Shina.

‘Famoretana manahiran-tsaina mahazo ny fahalalahan-gazety’: Sakanan'i Pakistan ankitsirano ny Slate.com

Fanindroany izao no voakasaka ny tranonkala tamin'ny taona 2019 ary fanintelony raha raisina hatramin'ny taona 2018.