Iran sy Isiraely: Mpifahavalo Mandrakizay Sa Mpinamana Amin'ny Ho Avy?

(Marihana fa lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary, taona 2008 ity lahatsoratra adika eto ity)

Betsaka ny bilaogera miresaka ny hevitr'izy ireo mikasika ny lahatsary an-tserasera nalefan'ny Century Foundation amin'ny fifandraisana misy eo amin'i Isiraely sy i Iran sy ny hery ara-jeo-politika ao ambadik'ity toe-javatra ity.

Ny fifanakalozan-kevitra, Iran sy Isiraely: Fifandrafiana tsy azo ivalozana?, dia notontosain'i Trita Parsi, Filohan'ny Vaomiera Nasionaly Iraniana Amerikana sady mpanoratra ny Treacherous Alliance – The Secret Dealings of Israel, Iran and the United States (Firaisana Mamitaka – Ny Fifampiraharahana Miafina eo amin'i Isiraely, Iran ary Etazonia) (Yale University Press 2007); sy Khaled Dawoud, mpitati-baovaon'ny Al-Jazeera ao New York; sy Daniel Levy, Mpikambana Ambony sady Talen'ny Fikarohana Fandraisana an-tanana ho amin'ny Fandriampahalemana ao amin'ny Orina Mpanasoa Century. Azo jerena ao amin'ny Youtube ihany koa ny lahatsary manaraka nampidirin'ny Century Foundation, izay nanasongadina ny resadresaka.

https://youtube.com/watch?v=8yKopk_jUto

Ali Eteraz nandefa lahatsary ary nilaza hoe:

I think one comment of note is from Riyad Mansour, a Palestinian expert, who reminds that the US runs the show, not Israel.

But pay attention, very close attention, at 3:30, at the geo-political game Iran is playing.

Mino aho fa ny fanehoan-kevitra iray dia avy amin'i Riyad Mansour, Palestiniana manam-pahaizana, izay mampahatsiahy fa i Etazonia no mitantana ny seho, fa tsy i Isiraely.

Saingy tandremo, tena tandremo tsara fa, tamin'ny 3:30, tao amin'ny lalao jeo-politika, milalao i Iran.

Afaka mijery ny lahatsary ao amin'ny tranonkalan'ny mpandrindra ny lahatsary sy ny adihevitra FORA.tv ihany koa ianao:

FORA.tv enables a new, global media opportunity by aggregating a daily range of events, produced and electronically shipped by institutions or freelance producers, from around the world.

FORA.tv dia ahafahana mahazo haino aman-jery manerantany vaovao amin'ny alalan'ny fandrindrana ireo zava-mitranga isan-karazany isan'andro, vokarina amin'ny alalan'ny elektronika sy alefan'ny fikambanana na mpamokatra tsy miankina manerantany.

Ao amin'ny Fora.tv, afaka mahita toko isan-karazany amin'ny resaka ianao, na mahita izany manontolo. Misy ihany koa ny rohy ahitana ny mombamomba ankapoben'ireo mpandray fitenenana, sy ny mety ahazoana dikantsoratra ary ny mitroka ny fahaiza-manaony.

Ny mahaliana amin'ny firesahana ny mety ahafahana manarina ny fifandraisana eo amin'i Iran sy Isiraely dia hita taratra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy : Lisa Goldman nandika ny Fanamarihana avy eny Ifotony: Mifandray amin'ny aterineto ny Iraniana sy Israeliana,  ‘teny Hebreo nadika tamin'ny teny Anglisy). Miresaka momba ny andraikitry ny bilaogy amin'ny famenoana ny banga amin'ny fifandraisana sy ny vaovao ny lahatsoratra navoakan'i Ido Hartogsohn ao amin'ny Nana, vavahadin-tserasera fialam-boly Isiraeliana, manome fifandraisana maha-olombelona kokoa eo amin'ireo olona avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Tao amin'ny lahatsoratra:

Goldman, too, sees blogs as a tool for creating understanding between peoples. “We must find a way to get past the pre-conceived notions and one-dimensional portraits presented by the mainstream media,” she says. “They just perpetuate conflicts. I think that if you hear a human voice from the other side, that’s the beginning of the way.”

Goldman, koa dia mahita ny bilaogy ho fitaovana hananganana fifankahazoana eo amin'ny vahoaka roa tonta. “Tsy maintsy mahita fomba hialàna amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny endrika tsy mifanaraka asehon'ny fampalalam-baovao mahazatra isika,” hoy izy. “Manao izay hampaharitra ny ady fotsiny izy ireo. Mino aho fa raha mandre feon'olona avy eny ankilany ianao, dia izany no fanombohan'ny lalana.”

Na izany aza, mbola misy ny tahotra kely:

As a means of illustrating the extent to which Iranian bloggers must be careful to avoid contact with Israelis, Kamangir offered an amusing-yet-sad anecdote about an incident that occurred last summer. This incident also shows how ordinary people who are citizens of enemy states find themselves making contact – albeit of a hesitant, groping kind.

Mba hanehoana ny tokony hitandreman'ireo bilaogera Iraniana mba hisoroka ny fifandraisana amin'ny Israeliana, dia nanome tantara fohy mahafinaritra sady mampalahelo momba ny loza nitranga tamin'ny fahavaratra lasa teo i Kamangir. Mampiseho ihany koa izany toe-javatra izany fa mifandray ny olon-tsotra izay olom-pirenena ao amin'ny firenena mpifahavalo – na dia misy fisalasalana sy fitsapatsapana aza.

Azo vakiana eto ny ambin'ny tantara.

Patriotic Flag photo by said&done

 

Patriotic Shadow : said&done

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.