Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2012
Kyrgyzstan: Tafiditra Anelanelan'ireo Nasionalista, Manasazy Mpanao Gazety Ny Fitsarana
Mikasika ny raharaha iray niteraka adihevitra be, nosazian'ny fitsarana iray ao Kyrgyzstan tamin'ny fandoavana honitra i Vladimir Farafonov, mpanao gazety teratany Rosiana, nohon'ny famoahana lahatsoratra izay mandrisika ny fisian'ny fifankahalan'ny vahoaka iray firenena. Nizara roa ny mponina amin'ny aterineto teo amin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny didim-pitsarana. Raha maro ireo izay mihevitra fa tokony nomena sazy somary henjankenjana ilay mpanao gazety, ny hafa kosa dia manambara fa miteraka voka-dratsy eo amin'ny fitsarana io didim-pitsarana io.
Rosia: Adim-bavy Ara-politika Manoloana Ny Pussy Riot
Niteraka adi-hevitra tsy kely eo amin'ny olona fanta-bahoaka Rosiana ny fitsarana ireo Pussy Riot, , ka tafiditra amin'izany ny gidragidra mampihomehy nisy teo amin'ny olona roa fanta-daza indrindra teo amin'ny firenena.
Sri Lanka: Mihamafy Ny Fatotra Manery Ny Fahalalahana Miteny Antserasera
Mamely ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto ao Sri Lanka ny lalàna vaovao navoakan'ny fitondrana. Tsy maintsy handoa Rs. 25.000 ($193) ho fisoratana anarana ary Rs. 10.000 isan-taona ho fanavaozana ny fisoratana anarana ny vohikalam-baovao rehetra manomboka izao. Manery ny bilaogera hanao sivana ny tenany noho ny tahotra ny tahaka izao
Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón
Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 ny mpanao gazety, mpahay lalàna ary mpandala ny fandriampahalemana Kolombiana Jaime Garzón Teloambinifolo taona taty aoriana mbola tsy voavaha ny raharaham-pamonoana an'i Garzón. Mahatsiaro an'i Garzón ny Kolombiana ary mitaky ny rariny isaky ny andro ahatsiarovana ny namonoana azy.
Mizara Saripika Mbola tsy Hitanao Mihitsy Mikasika An'i Afganistana
Saika mitondra sary mampatahotra avokoa ny ankamaroan'ny haino aman-jery mandrakotra ny fivoarana any Afganistana. Raha amin'ny mason'izy ireo,dia toy ny firenena difotry ny onjan'ny herisetra sy rivotry ny miaramila i Afganistana. Mpaka sary maromaro no manampy ny olona hijery amin'ny endrika hafa ity firenena kanto dia kanto ity. .
Etazonia: Fahitalavitra MundoFox, Fanampin'ny Mitovy Aminy ?
Ny 13 Aogositra 2012 nandeha tamin'ny fomba ofisialy ny Fahitalaviatra MundoFox, fahitalavitra fahadimy manatevin-daharana ireo hafa amin'ny fandefasana fandaharana amin'ny fiteny Espaniola any Etazonia.
Global Voices Podcast: Zavatra Maro Avy Amin'ny #GV2012
Anatin'ity andiany ity ianao dia haheno zavatra maro avy amin'ny Fivoriamben'ny Global Voices izay notanterahina tany Nairobi, Kenya, tamin'ny Jolay, izay ahitàna ny sasany amin'ireo mpandray anjara avy aminay sy ireo akademisiana voafantina eran-tany nasaina ihany koa hizara ny fahalalany sy hanovo fahalalana avy amin'ilay fianakaviambe.
Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia
Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.
Shina: Fihazàna Ivelan'ny Fari-piadidiana Mahazo Mpanao Gazety Iray Mpanadihady
"Navoakako ny taratasy ofisialy avy amin'ny polisin'ny fileovana ao Jiansu Funing izay manendry mpanao heloka bevava 61 ao anatin'ny asam-panjakana" - .Zhou Xiaoyun, mpanao gazety mpanadihady, dia karohin'ny manampahefana taorian'ny namoahany tranganà kolikoly goavana iray
Manatanteraka Ny Nofinofy Olaimpikan'i Grenade i Kirani James
Tany ampiandohan'ity herinandro ity, norombahan'i Kirani James ny medaly volamena tamin'ny hazakazaka 400m lehilahy tamin'ny Lalao Olaimpika , tamin'ny ampaham-potoana 43.94, mametraka azy ho ny olona voalohany avy any Grenade sy ny Fikambanan'ireo Firenena Karibeana Tatsinanana nahazo medaly Olaimpika toy izany. Mankalaza ny faritra.