Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2018
Nameno ny aterineto ny mpisera tamin'ny fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny oram-batravatra tany Kerala, India
"Nanao ezaka fiaraha-miasa i Kerala ... handresena ny tondra-drano mahatsiravina. Na izany aza ... niezaka nisompatra izany ezaka goavana izany ny sasany tamin'ny fampahalalam-baovao diso amin'ny endrika hafatra sandoka tao amin'ny media sosialy."
Miangatra mamely an'i Shina ve ny media tandrefana? (Fizarana faharoa)

Mitabataba i Shina fa miangatra aminy ny fampitam-baovao tandrefana. Nanao fitsapana izany filazan'i Shina izany izahay tamin'ny fampiasana fitaovam-panadihadiana lahatahiry anankiroa.
Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany
Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay i Zimbaboe. Nisy ihany ny fiakaran'i Zimbaboe na dia atao hoe firenena manana ny toekarena mihemotra haingana indrindra sy manana ny fidanganam-piainana avo indrindra manerantany aza izy.
Anatin'ny Fifidianana Ao Pakistana, Fampijaliana Biby Ho An'ny Seho Pôlitika
"Boriky iray voakapoka nivoa-drà, im-betsaka nomena totohondry teny amin'ny lohany ary kibony, rotika ny orona, voadakadaka teny amin'ny tenany manontolo mandra-pidarabony"
Nikaragoà: Miverina ao amin'ny Plaza de la Revolución indray.
Manana toerana ahitana foibe ara-tantara sy marika ny tanàna tsirairay. Ao Managua, Nikaragoà, Plaza de la Republica, fantatra amin'ny hoe Plaza de la Revolución no toerana toy izany. Maro ireo tranga ara-tantara nitranga tao amin'io kianja io, toy ny hetsika mpomba an'i Somoza, ny fandresen'ny revolisiona tamin'ny taona 1979, sns.
Miaiky ny Facebook fa miadana ny famahana ny olana momba ny kabarim-pankahalana ao Myanmar

Nitatitra ny Facebook tamin'ny 15 Aogositra 2018 fa miadana sy tsy ampy ny ezaka natao hiadiana amin'ny fandisoam-bovao, ny vaovao hosoka, sy ny kabarim-pankahalàna ao Myanmar:
Matahotra ho voasazy dia mangina ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana ao Bangladesh

Nanao hetsi-panoherana mitaky làlana azo antoka sy fampiharana ny lalànan'ny fifamoivoizana any amin'ny firenena ireo mpianatra Bangla taorian'ny mpianatra roa maty voadoanan'ny fiara fitateram-bahoaka monisipaly.
Maraoka: Voaroba ny fiainan'i Fouad Mourtada
Azo antoka fa mety tsy tsikaritr'i Fouad Mourtada fa ho lasa anarana malaza izy. Nosamborina tamin'ny 5 Febroary izy ary voaheloka ny 22 febroary 2008 higadra telo taona an-tranomaizina (sady mandoa onitra 1000 dolara) noho ny famoronana profil Facebook maka tahaka ny Printsy Moulay Rachid.
Fandinihantena Sy Fikarohana Ny Antom-pisiana Ao Anaty Tontolom-bolongana Oganda
Manana olana ara-pisiana miseho amin'ny endrika isankarazany ireo blaogera Ogandey. Nanomboka tamin'ny volana janoary ny fandinihantena eny anivon'ireo Blogren, raha toa izy ireo nanomboka nifampiantso, rehefa injay marobe ireo blaogera nanohitra ny famoronana ny Ora Mamalifaly (Happy Hours) ho an'ireo Blaogera ao Oganda sy ireo Loka ho an'ny Bilaogy Tsara Indrindra ao Ogandà.
Ejypta: Fanentanana “Atsaharo ny fihoaram-pefy amin'ny zava-mahadomelina”
"Atsaharo ny rongony.. Ovay ny fiainanao" no teny filamatra ho an'ny fanentanana iray vaovao mampiadihevitra natombok'i Amr Khaled tao Ejypta sy ny firenena Arabo hafa.