Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2010
Angola: mpanao gazety nisy namono: Famoretana sa herisetra an-tanàn-dehibe?
Tamin'ny 5 Septambra dia namoy ny ainy teo an-tanan'olon-tsy fantatra ilay mpanao gazety Albert Graves Chakussanga izay tsy nisalasala akory nitifitra azy tao ivelan'ny trano fonenany, tany an-tanànan'i Viana ao...
Frantsa: Mitantara angano momba ny fananana vady maro any amin'ireo fianakaviana mpifindra monina ny gazetiboky
Le Point, gazetibokim-baovao Frantsay mpivoaka isan-kerinandro, no lasibatry ny “mpitolona” iray karazany vaovao izay manohitra ny endrika omena ireo mponina any amin'ny fiarahamonin'ny mpifindramonina. Niteraka adihevitra be teo amin'ny haino aman-jery i Abdel tamin'ny nisandohany ho renim-pianakaviana ao amina fianakaviana marovady.
Maraoka: Manohitra ny fampijaliana, na aiza na aiza
Naneho ny tsy hafaliany noho ny tsy firaharahàn'ny mpampahalàla vaovao mahazatra sy ny mizàna tsindriana ila ataon'ny governemanta ireo mpitoraka bilaogy, taorian'ny nahafatesan'ny tanora Maraokana iray teo am-pela-tànan'ny manampahefana solontenam-panjakana.
Ejipta: Mamely an'i Eissa, na mamely ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety
Ny tompony vaovao ao amin'ny Al-Dostour - iray amin'ireo gazety tsy miankina malaza ao Ejipta - dia nandroaka an'i Ibrahim Eissa, tonian-dahatsoratra sady mpiara-namorona ny gazety, nanokatra varavarana ho an'ny mpitoraka bilaogy hamelatra ambony latabatra io tranga io sy ny sehatry ny fampahalalam-baovao eo Ejipta.
Brezila: Mizotra ho amin'ny fihodinana faharoa ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, miditra an-tsehatra ny media sosialy
Ny fiakarana tampoka tao anatin'ny minitra fohy azon'i Marina Silva, mpirotsaka avy amin'ny Antoko Maitso dia nitondra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Breziliana ho any amin'ny fihodinana faharoa [pt] miaraka amin'i Dilma Rousseff, ilay efa noeritreretin'ny maro ho mpandimby tsy misy ady hevitra an'i Luiz Inácio Lula da Silva, ary kely foana no tsy nahalasa azy[pt] ho ny vehivavy voalohany nitondra ny firenena.
Ekoatera : Mpitsara lalao baolina kitra taloha tratra nanondrana zava-mahadomelina tany Etazonia
Taitra sady gaga tamin'ny vaovao mahakasika ny anankiray amin'ny olom-pireneny ny vahoaka any Ekoatera : tamin'ny herinandro lasa teo, ilay mpitsara baolina kitra Byron Moreno Ruales no tratra tao amin'ny...