· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2011

Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi

Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.

31 Oktobra 2011

Espana: Ny Tolon'ny 15 Oktobra Sy Ny Tatitr'ireo Haino Aman-jery

Tena nahavory olona maro tokoa tany Espana ny fihetsiketsehana maneran-tany ny 15 Oktobra izay nitaky ny fampiharana ny tena demokrasia sy nanohitra ny kolikoly ataon'ireo orinasam-pitantanam-bola. Ato amin'ity lahatsoratra ity, aborakay ny fomba nitateran'ny sasany tamin'ireo haino aman-jery espaniola izany hetsika izany, sy ny adihevitra teo amin'ireo mpampiasa aterineto.

23 Oktobra 2011

Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan

Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona...

21 Oktobra 2011

Global Voices Podcast 4: Misandratra Isika Miaraka

Amin'ity andiany ity dia handre ireo mpamaham-bolongana Grika avy ao amin'ny fikambanana Rising Voices ianareo, ny fomba fanatsaran'ny olotsotra tia mampita vaovao Goatemalteka ny talentany hiatrehana ny fifidianana ary izay kasaina hotontosaina mandritra ny Vovonan'ny Mpamaham-Bolongana Arabo hotontosaina ny 3-6 oktobra 2011 any Tonizia ary anisan'ny mpikarakara ny Global Voices

03 Oktobra 2011