Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2015
Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena
Mankalaza ny 40 taona taorian'ny nandroahan'ny vahoakan'i Culebra ny Navy Amerikana sy ny 135 taona nananganana ilay nosy kaominina ny horonantsary fanadihadiana fohy nataon'ny gazety mpiseho isam-bolana, Diálogo.
Mihetsika Ny Kroaty Manoloana Ny Fanambaran'ny ISIS Ny Fanapahan-doha An'i Tomislav Salopek
Mihetsika ireo mpampiasa media sosialy any Kroasia, Ejipta, ary eran-tany manoloana ny vaovao mandeha momba ny fahapahan-doha nataon'ny ISIS tamina Kroaty iray mpila ravinahitra tany Ejipta.
Manangana Ady Ireo Fantsona TV Ao Okraina Noho Ny Fandrarany Ireo Fandaharana Rosiana Manao “Fampielezankevitra”

Vokatry ny fandraran'i Okraina ireo fandaharana Rosiana maro fandefa amin'ny fahitalavitra izay "manindrahindra ny fitondrana Rosiana, ny tafika ary ny fampiharana lalàna", dia efa mikaroka lesoka anatin'ilay fanaovan-dalàna vaovao ireo fantson'ny fahitalavitra Okrainiana.
Mifanaritaka amin'ny Fahalalahan-gazety Ao India
Nandrahona hanaisotra ny fahazoan-dalan'ireo fantsom-baovao telo noho ny fitsikerana ny famonoana ho faty an'i Yakub Menon, voaheloka ho faty tamin'ny fipoahana baomba tamin'ny 1993 tao Mumbai ny governemanta.
Heverin'ny Malezia Ny Hanerena ireo Vohikalam-baovao Hisoratra Amin'ny Governemanta, Satria Mitatra Ny Tantara Ratsy Ara-politika

"Tsy azo inoana mihitsy hoe tsy natao ho amin'ny zavatra hafa ankoatry ny fandraràna ny tsikera io fanovàna io."
Miray Hina Isan'Andro Ny Olona Mba Hanampy Ireo Mpitsoa-ponenana Ao Gresy
"Tsy fiantrana izany fa firaisankina avy amin'ny tsirairay hoan'ny rehetra...Fitiavana avy amin'ny olombelona ho an'ny olombelona ihany koa izany tsy hijerena volon-koditra, foko na finoana."
Miteraka Adihevitra Momba Ny Fahalalahana Miteny Ny Fandroahana Ilay Mpanazatra Tao Meksika
Niafara taminà fikasihan-tànana ny fifanolanana nisy teo amin'ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Meksikana Baolina kitra sy ilay mpanao gazety ara-panatanjahantena nanakiana azy, ary niteraka adihevitra momba ny fahalalahana maneho hevitra.
Fahitalavi-Pirenena Aostraliana: Mandefa Bitsika Vetaveta Momba Ny Praiminisitra
Nandeha mivantana tao amin'ny fandaharana Fanontaniana&Valiny tao amin'ny Australian Broadcasting Corporation ilay bitsika nanafintohina hoe "AbbottLovesAnal," (TiaVodyiAbbott)
Polisy Manamboninahitra Goianey Nosaziana Fa Bevohoka
Ahafahan'ny polisy mandroaka izay polisy manampahefana vehivavy bevohoka ao anatin'ny fotoanan'ny fisedrana ny lalàna tranainy ao Goiana. Tokony hovaina ve izany lalàna izany?
Mijirika Indray Ny Tafika (Ny Azy Ihany) i Rosia

Manetry ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena ny Rosiana mpijirika "Anonymous International" noho ny fomba ratsy fanao amin’ny tsy fahampian’ny fiarovana ny torohay ka nisian’ny fiporitsahan’ny tahirin-kevitra saropady izay voalaza fa nalefa tamin'ny alalan'ny tolotra fandefasana mailaka maimaim-poana .