Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Mey, 2017

31 Mey 2017

Rosia: Voaheloka Hiditra Toby Fanasaziana Mandritra ny Roa Taona Latsaka ny Mpitoraka Blaogy Iray ao Tatarstan

Akon'ny RuNet

Ny 12 Septambra 2008, nitoraka blaogy momba ireo tsaho milaza ny fahafatesan'i Mintimir Shaimiev, filohan'i Tatarstan, i Irek Murtazin, mpitoraka blaogy iray ao Tatarstan. Tamin'ny Novambra 2009, voaheloka ho nanala baraka sy nampirisika ny fankahalan'ny olona i Murtazin ka voasazy hiditra toby fanasaziana mandritra ny herintaona sy 9 volana.

30 Mey 2017

Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka

Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.

Maraoka: Anarana Samy Hafa, Tantara Mitovy

Na dia eo aza ny fandrosoana ivelany, niatrika tsy fahombiazana maro ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy i Maraoka.

Japàna: Ilay Andro Tsy iantsenàna

Mpanjifa manara-drenirano fotsiny isika..."izay vidianao no mamaritra ny maha-ianao anao"

27 Mey 2017

Shina : Azo Itokisana Ireo Mpampanofa Vatana Raha Ampitahaina Amin'ireo Manampahefana, Araka Ny Fanadihadihana Iray

Ny mpampanofa vatana àry mba mikokotra amin'ny heriny sy ny sainy rehetra hahazo am-pahamarinana ny volany, raha ny hafa kosa mametsy ireo mpiasa manao ny marina.

Navotsotra Ilay Bilaogera Ejypsiana Monem

Nandre ny vaovao momba ny famotsorana an'i Monem miaraka amin'ny ahiahy manoloana ny tsy fahatokisana ny fiarovana Ejyptiana ireo bilaogera Ejiptiana.

Thailandy: Fijery Sy Fandaharana Vaovao Ao Amin'ny Fahitalavi-panjakana

Iray amin'ireo mpamokatra ny fantsona NBT aho. Indray mandeha isan-kerinandro ny fandefasana ny fandaharako. Isaky ny miova ny governemanta, tonga ny governemanta vaovao ary manova ny fandaharam-potoanan'ny NBT, manova fandaharana betsaka.

26 Mey 2017

Ny Fomba Namolavolan'ny Sary Ny Fitantaràntsika Ny Ady Tany Vietnama

Resadresaka momba ny ady sy ny fampielezankevitra niarahana tamin'ny iray amin'ireo mpakasary malaza indrindra erantany tamin'ny Adin'i Vietnam

25 Mey 2017

Etazonia: “Mila Ny Al Jazeera Anay Izahay!”

Taorian'ny fikomiana malaza tany Tonizia sy Ejipta, nahazo dera manerantany ny Al Jazeera ao Qatar, indrindra tamin'ny fandrakofam-baovao vao haingana tao amin'ny fantsony amin'ny teny Anglisy. Mitaky ny hisian'ny Al Jazeera ao aminy ankehitriny i Amerika.

24 Mey 2017

Algérie Télécom: Ny Hany Azo Raisina?

Malaza eny anivon'ireo bilaogera ny AT noho ny haratsian'ny tolotra omeny sy ireo fahatapahana matetika. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, navoakan'i Katharine Ganly ny hatezeran'ilay tanora bilaogera, Houda, avy ao Sidi Bel Abbès.