Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Janoary, 2022
COVID-19 : Tsy ho sitrana amin'ny fampiasana fanafody ratsy izany ianao
Tatitra fiarahamiasa vaovao miezaka manambatra ireo "faktiora tsy hita" avy amin'ny famahana ny COVID-19 tohanan'ny IFI, mandrakitra ireo lesoka maro, ary mametraka fanontaniana manakiana momba ny famahana ny areti-mifindra misy ankehitriny.
Mitohy ny famoretana ny fampitam-baovao mialoha ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ao Myanmar
"Izy no mpanao gazety fahatelo novonoina tao Myanmar tao anatin'ny iray volana latsaka, mariky ny fomba tsy azo ekena mihitsy izay vao maika ampiasain’ny fitondrana miaramila."
Iray andro dia rava ny anganom-pahamarinan-toeran'i Kazakhstan, mitaintaina ny mpifanolo-bodirindrina aminy
Andro iray, nandroaka ny governemantany i Kazakhstan, nanakatona ny aterineto, ary nametraka tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao amin'ny firenena. Nanimba sy niditra an-keriny tao amin'ny tranoben'ny governemanta ny vahoaka ary koa tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Almaty mihitsy aza.
Nesorin'i Google ny doka YouTube ahitana ny famotopotorana ireo gadra politika Belarosiana
Nampiasaina hampiroboroboana ireo fantsona mpomba ny governemanta ireo lahatsary fohy, izay manasongadina ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra sy ireo mpanao gazety mahaleo tena nogadrain'ny fitondrana Lukashenka izay toa hita fa fiaiken-keloka natao tao anatin'ny fanerena.
Manambara ny fikatonany ny seha-baovao iray mahaleotena ao Hong Kong antsoina hoe Citizen News
Natsangan'ny mpanao gazety menavazana tamin'ny taona 2017 ny Citizen News. Tamin'izao filazana ny fikatonany izao, nilaza ny ekipam-baovao fa tsy afaka manatanteraka ny idealiny tsy misy fanahiana ry zareo.
Resin'ny mpampiaina radiôm-piarahamonina indizeny tany amin'ny Fitsarana inter-amerikana ny Fanjakana Goatemalteka
"Kihon-dalana ho an'ny radiôm-pokonolona ao Goatemalà ny didy nivoaka", hoy ny iray amin'ireo tobim-pampielezampeo nametraka ny fitoriana.