Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2011
Murdoch Nipao-tsatroka An'i Singapore Ho Modely Nefa Mandà Izany Ireo Mponin'ny Aterineto Ao An-toerana
Ny filazam-baovaon'i Rupert Murdoch dia niteny nanoloana ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta fa fàka tàhaka i Singapore amin'ny fandoavana karama be ho an'ireo mpanao politika ao aminy mba hampihenana ny kolikoly ka tokony halain-tahaka . Ato no hita ny fanehoan-kevitr'ireo mponina ao Singapore.
Pakistana: Mangataka Hitsaràna Ny Raharaha Saleem Shahzad
Maro ireo niahiahy ny sampam-pitsikilovana eto amin'ny firenena ho ao ambadik'io fakàna an-keriny sy famonoana an'i Shahzad tamin'ny May 2011, tompon'andraikitry ny biraon'ny Asia Online na Azia anaty aterineto. Ny vaomieram-pitsarana napetraka hanadihady momba ilay vono olona dia nitaraina noho ny tsy fahampian'ny fanampiana tonga, ary betsaka ireo matahotra ny hanoheran'ny olona ny valim-pitsarana.
Bolgaria: Andro Iray Tsy Misy An'i Boyko Borisov PM
5 Jolay 2011, nisian'ny fanamby mahaliana ho an'ireo fampahalalàm-baovao Bolgara efa mahazatra : Hamaly ny antso iray ao amin'ny Facebook hoe "Andro iray tsy misy an'i Boyko Borisov" [bg; tsy mandeha intsony amin'izao ilay pejy, satria taorian'ny hetsika dia noraisin'ireo mpikarakara ny fanapahan-kevitra hamafa azy, mba hisorohana ny spam, hafatra tsy iriana afafy amin'ny aterineto] - sa mbola hanohy ny hitatitra ireo zavatra ataon' ny Praiminisitra Boligara ry zareo?
Pero: Niverina ny Fandriampahalemana ao Puno Taorian'ny Fifanarahana
Tamin'ny alalan'ny fampihàrana ilay fifanarahana vaovao narafitra farany, dia niverina tsikelikely ny fandriam-pahalemana tao amin'ny faritr'i Puno, ao amin'ny faritra atsimon'ny Andes Peroviana, taorian'ny fifandirana sy ny korontana ara-tsosialy faramparany teo (izay samy mifandray amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany[es] avokoa), izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona enina, maherin'ny 30 no naratra ary an-tapitrisany ny zavatra potika. Maresaky ny fanehoan-kevitra ireo tambajotra sosialy.
Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy
Manoratra mikasika ny fomba fahitan'ny olona avy any ivelany ny fanoherana atao amin'ny herisetra ataon'ny polisy any Masedonia i Filip Stojanovski .
Kolombia: Nandao Ny ‘W Radio Colombia’ ilay Mpanao Gazety, Félix de Bedout
Ny fialàn'i Félix de Bedout Molina mpanao gazety tao amin'ny "W Radio Colombia" [es] ho lasa mpanolotra ao amin'ny Univisión [es] any Etazonia dia nahatonga karazan-tsikera maro tao Kolombia. Mpanao gazety fantatra noho ny asany manadihady sy ny fitsikerana ny governemantan'ny filoha Álvaro Uribe teo aloha.
Kioba: Fihaonana Voalohan'Ireo Mpampiasa Twitter, Nahafinaritra Loatra Tao Havana
Ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Twitter dia nankalazaina ny 1 jolay tamin’ny 4 ora folakandro tao amin’ny distrika faha 23 sy ny faha12-n’i Vedado ary tao Pabellón Cuba. Olona 100 eo ho eo no tonga nanafàna an’ity hetsika ity, tanora mpianatra ho mpanao gazety ny ankamaroany , mpandraharaha, mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mpanao gazety maro sy mpitoraka bilaogy, ankoatr'ireo maro hafa. Mandinika lalina sy manadihady ity hetsika miavaka ity ireo mponin'ny aterineto.
Malaoi: Fantaro Ny Mpanoratra Eto Amin'ny Global Voices, Victor Kaonga
Nanoratra lahatsoratra tena nahaliana isan-karazana miainga avy amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, hatramin'ny fitandroana ny rano, ny baolina kitra Malaoita sy ny fanambadian'ny olo-malaza ara-politika iray, i Victor Kaonga nandritra izay efa-taona naha-tao anatin'ny Global Voices azy izay. Nanomboka tamin'ny NDAGHA ny bilaoginy tamin'ny 2006
Global Voices Podcast 1: Iza no inoantsika an-tserasera?
Mitenena Manahoana amin'ny podcast-nay vaovao [fandraisam-peo]! Fizarana 1: Miresaka momba ilay fitaka Gay Girl in Damascus; Mihainoa ny feo avy any Ginea-Bisao; ary ny resadreseka tamin'i Firuzeh Shokooh Valle momba ny asany amin'ny maha-tonia mpanitsy amin'ny teny Espaniola azy. [Amin'ny teny anglisy daholo ny fandraisam-peo]