Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2019

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2019

25 Jona 2019

Ny raharaha Ivan Golonouv : Fotoana fohy firaisankina sy firohotana tao amin'i Rosia an’i Potinina

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Maro no nitaky fandraisana andraikitra bebe kokoa amin'ny fanasaziana ireo mpitandro ny filaminana izay namoroporona ilay raharaha.

23 Jona 2019

Lok Sabha 2019 ao India : Valin'ny fifidianana taorian'ny dingana naharitra herinandro

Nankao amin'ny Twitter ny olona hnamoaka ny zavatra novinavinainy mialoha. Maro no naka ny vokatry ny fitsapankevitra teo am-pivoahana ny birao ary nanomboka niarahaba an'i Narendra Modi tamin'ny fendresena azony

20 Jona 2019

Tatitry ny Mpisera : Ny fomba nanampian'ny WhatsApp (sy ny 3 tapitrisa dolara) an'i Jair Bolsonaro tao Brezila mba hahazo fandresena

GV Mpisolovava

Manome topimaso iraisampirenena momba ireo fanamby, ireo fandresena, ary ireo fironana vao misandratra eo amin'ny lafiny zo nomerika maneran-tany ny Netizen Report (Tatitry ny Mpisera) ato amin'ny Global Voices Advox

Noho ny hetsibahoaka, voatery nosintonin'ny governemanta ao Trinidad & Tobago ilay volavolam-panitsiana ny lalàna momba ny Fahalalahana Hahazo Torohay / Vaovao

"...tena hireharehan'ny vahoaka ny fananany demaokrasia izay hita mibaribary hoe salama tsara— hoe nalaky tonga niaraka sy araka ny tokony ho izy ireo fikambanana sivily, ary dia namaly tamin'ny fomba feno sy ampy tokoa ny governemanta."

18 Jona 2019

Manamarika ny kihon-dalana eo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny fisamborana an'ilay mpanao gazety fanadihadiana Ivan Golunov

Niteraka fihetsiketseha-panohanana tsy fahita firy avy amin'ny lafin'ny sehatry ny politika Rosiana rehetra ny fisamborana an'i Golunov.

Tamberina Feral Tribune, gazety mpanesoeso malaza ao Kroasia efa nikatona

Fantatra amin'ny tsi-fitongilanana tamin'ny adin'nyBalkana sy Feral Tribune was known for its impartial coverage of war in the Balkans and caricatures that ridiculed the nationalist leaders in former Yugoslavia.

06 Jona 2019

Mina Mangal vehivavy malaza ao Afghanistan: Maty nisy nitifitra tamin'ny andro mazava

GV Mpisolovava

Nanantitrantitra hatrany ilay mpanao gazety malaza lasa mpanolotsaina parlemantera fa mila fiarovana izy. Tsy nisy olona tonga nanolotra izany anefa.

Mariky ny fibolisaran'ny mpitondra frantsay amin'ny mpanao gazety ny fihazonana an'i Gaspard Glanz

GV Mpisolovava

Mampiasa ny tsiambaratelo momba ny fiarovana sy ny filaminana ho toy ny fialantsiny amin'ny fanenjehana ireo mpanao gazety ny governemanta Frantsay. Nihemotra ny orinasa.

03 Jona 2019

Manolo-kevitra hifehezana ny media sosialy ny praiministra ao Papoà Neo Ginea, satria mila hatsahatra ny “vaovao faikany” hoy izy

GV Mpisolovava

Nametraka ny fomba fijeriny mikasika ny fanarahamaso ny media sosialy ny governemanta Papoà-Neo-Ginea mba hiadiana amin'ny fielezan'ny vaovao tsaho sy vaovao faikany amin'ny aterineto. Nampitandrina ireo mpitsikera sy ny mpanao gazety fa mety hitarika ho amin'ny fanakonana ny fahalalahana miteny izany.