Asehon'ny Sariitatra Ny Zava-tsarotra Atrehan'ny Tontolon'ny Fampitam-baovao Ao Myanmar

Avy amin'ny The Irrawaddy, vohikalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ity lahatsoratra ity ary navoakan'ny Global Voices eto indray izay tafiditra ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Na dia teo aza ny fanafoanana tamin'ny taona 2012 ny fampiasana ara-bakiteny ny sivana efa nandritra ny am-polo taonany maro dia mizotra mankany amin'ny làlana mifanohitra amin'izany i Myanmar eo amin'ny lafiny fahalalahan'ny fampitam-baovao, indrindra fa nanomboka tamin'ny taona 2014.

Ireto misy sariitatra maromaro izay navoakan'ny The Irrawaddy tao anatin'ny efa-taona, nanomboka tamin'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2017 izay mampiseho ny dingana lehibe sy ny zava-tsarotra niainan'ny fampitam-baovao tao amin'ny firenena.

Voafatotra Ny Rariny

Sariitatra nataon'i Kyaw Thu Yein, 30 Oktobra 2014 / The Irrawaddy

Tamin'ny volana Oktobra 2014, novonoina ilay mpanao gazety mahaleotena Aung Kyaw Naing, izay antsoina koa hoe Par Gyi, raha mbola tany amin'ny fonjan'ny miaramila izy. Nilaza ny tafika Myanmar fa maty voatifitra ilay mpanao gazety rehefa niezaka ny haka ny basin'ny miaramila izy ary nitsoaka ny fonja. Nolavin'ny polisy sy ny fitsarana ny raharaha na dia teo aza ny ezaka nataon'ny vadiny tamin'ny fitoriana ny miaramila noho ny fahafatesana sy ny filazana ny fampijaliana ny vadiny .

Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety ao Myanmar

Sariitatra nataon'i Shwe Lu, 4 May 2016 / The Irrawaddy

Nifarana  tao Myanmar ny sivana ara-bakiteny tamin'ny taona 2012. Efa-taona tatỳ aoriana, tamin'ny taona 2016, mbola hita fa toy ny mbola zaza ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena.

Ankafizo ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety

Sariitatra nataon'i Kyaw Thu Yein, 3 May 2014 / The Irrawaddy

Mampiseho ny fanaraha-maso sy ny tsy fisian'ny fanohanana ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao Myanmar ity sariitatra tamin'ny taona 2014 ity.

Tsy misy Ny Fahalalahana Avy Amin'ny 66 (d)

Sary nataon'i Kyaw Thu Yein, 19 May 2017 / The Irrawaddy

Misy raharaha miisa 70 eo ho eo no enjehina eo ambanin'ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra Andininy faha 66 (d) izay nampiasaina mba hanenjehana ny  “fanalam-baraka” an-tserasera aoanatin'izao fitondran'ny antoko Ligy Nasionaly fiarovana ny Demaokrasia amin'izao fotoana izao .

Fahalalahan-gazety?

Sariitatra nataon'i Harn Lay, 2 May 2014 / The Irrawaddy

Nahitana ny fihemoran'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Myanmar ny taona 2014 tamin'ny fameran'ny manampahefana ny famoaham-baovao sasany tsy hamoaka ” vaovao tsy mety momba ny governemanta.” Norahonana ny hafa fa ho “tazomina ho tompon'andraikitra amin'ny fitarihana korontana ara-tsosialy” izy ireo mikasika ny fitaterana ny herisetra tao amin'ny Fanjakana Rakhine. Mpanao gazety miisa efatra sy Tale Jeneralin'ny gazety Unity Weekly no nosamborin'ny polisy ao amin'ny Sampana Manokana rehefa nitatitra ny gazety fa misy ny orinasa voalaza ho manamboatra fitaovam-piadiana shimika iray tao Pauk, any amin'ny faritra Magwe. Miatrika hatramin'ny 14 taona an-tranomaizina izy rehetra ireo noho ny “fandikana ny lalànan'ny tsiambaratelom-panjakana .”

Mamihina Ny Fampitam-baovao Ambany Vahohony Ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao

Sary nataon'i Zagalay, 2 May 2014 / The Irrawaddy

Mitana andraikitra lehibe amin'ny fanaraha-maso ny zava-drehetra mikasika ny orinasan'ny fampitam-baovao ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao Myanmar na dia teo aza ny tena firoboroboan'ny sehatra fampitam-baovao tsy miankina ao amin'ny firenena..

Eo Amin'ny Dingana Fipoahany Ny Fanavaozana An-gazety ao Myanmar

Sariitatra nataon'i Kyaw Thu Yein, 15 Jolay 2014 / The Irrawaddy

Mampiseho ny fanjavozavoan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety  eo ambany governemanta sivily tarihin'ny filoha teo aloha U Thein Sein ny sariitatra iray tamin'ny taona 2014.

Fiverenana Amin'ny Krizy

Sariitatra nataon'i Kyaw Thu Yein, 1 Jolay 2017 / The Irrawaddy

Mandritra ny fitantanan'ny governemanta voafidy tarihin'i Daw Aung San Suu Kyi, nisambotra mpanao gazety miisa telo avy amin'ny sehatra fampitam-baovao tsy miankina ny Tafika Myanmar, anisan'izany ny iray avy ao amin'ny The Irrawaddy, tamin'ny 26 Jona, izay niampanga azy ireo ho manana  fifandraisana amin'ny vondrom-poko mitam-piadiana tsy ara-dalàna. Mbola any am-ponja izy ireo tamin'ny fotoana namoahana ny lahatsoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.