· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Mey, 2009

Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja

  31 Mey 2009

Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 amin'ny Lalàna...

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

  31 Mey 2009

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

  21 Mey 2009

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana...

Myanmar: Faha-150 taona nananganana an'i Mandalay

  18 Mey 2009

Mankalaza ny faha-150 taonany mandritra ny telo andro manomboka amin'ny 14 ka hatramin'ny 16 mey i Mandalay, renivohitry ny fitondram-panjaka farany. Fankalazana ny faha-150 taona an'i Mandalay Renivohitry ny faritanin'i Mandalay i Mandalay (he!he!) sady tanàna faharoa lehibe indrindra any Myanmar. Nosoratan'i Ye Lwin Oo tao amin'ny bolongany ny tantara...

Ekoatora:Araha-maso ny kalitaon'ny gazety

  09 Mey 2009

Ratsy ny fifandraisana nisy teo amin’I Filoha Ekoatoriana Rafael Correa sy ireo mpampita vaovao ary ireo mpanao gazety ao amin’io firenena io. Mety ho ratsiratsy kokoa izany ato aoriana kely, araka ny voalazan’ny gazety La Hora [es], manana drafitra hampihatra ny lalàna Fampandraisana andraikitra ara-tsosialy ny haino aman-jery ny governemantany....

Timor atsinanana: Nanoratra tamin’ny fomba fanoratana SMS ny mpanao gazety iray mba hamborahana fanaovana kolikoly

  02 Mey 2009

Ny volana Oktobra lasa teo, nanoratra SMS momba ny fandosirany i José Antonio Belo, maintimolalin’ny fanaovan-gazety ao  Timor Atsinanana, mba hamborahana fanaovana kolikoly nandraisan’ny Ministry ny Fitsarana any an-toerana anjara. Androany, miatrika fanenjehana noho ny fanalam-baraka ilay mpanao gazety. Manoratra ao amin’ny gazetiboky mpilaza vaovao Tempo Semanal, namoaka ny antsipirian’ilay...