Nakaton'i Kyrgyzstan Noho Ny Antony “Mahery Fihetsika” Ny Archive.org.

Ao anatin'ny ezaka hiadiana amin'ny fihetsika mitrifana, nosakanan'ny fitsarana ao Kyrgyzstan ny tranonkala Internet Archive (Tahiry Antserasera) iray malaza miorina ao Etazonia, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovaon'ny firenena Sovietika teo aloha tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.

Nilaza ny Internet Archive (archive.org) fa efa nahatahiry pejy habaka efa ho 300 miliara tao anatin'ny roapolo taona mahery izy. Mitahiry ireo boky sy mozika azo ampiasaina  maimaim-poana ihany koa izy.

Nandritra ny herinandro mahery, tsy afaka niditra tao amin'ny tranonkala ao amin'ny Kyrgyztelekom Mpamatsy Tolotra Aterinteto (FAI) lehibe indrindra, ary koa tao amin'ny FAI lehibe iray hafa, Homeline ireo mpiserasera ao an-toerana ao Kyrgyzstan. Nilaza ireo mpisera FAI kely kokoa tahaka ny Aknet fa mbola azo idirana ny archive.org.

Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ny solontenan'ny sampam-pifandraisam-panjakana Kloop.kg tao Kyrgyzstan fa nosakanan'ny fitsarana ny tranonkala noho ny “votoaty mampidi-doza” notehirizina tao, saingy tsy nolazaina ny fotoana namoahan'ny fitsarana ny didim-pitsarana sy izay tranonkala niteraka ny fanakatonana.

Hoy ilay solontena:

Чтобы сайт разблокировали, он должен удалить со своих страниц материалы экстремистского содержания. Однако так сделать, скорее всего, не получится, так как ресурс накапливает все, что кто-то когда-то опубликовал, соответственно, экстремистские материалы на ресурсе будут только пополняться.

Mba hanokafana ny tranonkala, tokony hanaisotra ireo pejy ahitana votoaty mampidi-doza ny [archive.org]. Na izany aza, mety tsy hitranga mihitsy izany, satria mbola manangona hatrany ireo pejy habaka navoaka [foana] ny loharanom-baovao ary noho izany, ireo fitaovana mahery fihetsika ihany no tsy hofenoina indray.

Nilaza tamin'ny Global Voices ny mpiasa mpikambana ao amin'ny Internet Archive fa tsy nifandray tamin'ny fikambanana mihitsy ny manam-pahefana Kyrgyz mba hilaza ny ahiahin'izy ireo. Talohan'ny fanadihadian'ny Global Voices, tsy nahafantatra mihitsy momba ny fanakanana ny fikambanana.

Eny tokoa, nohavaozina hatrany ny Internet Archive amin'ny fampiasana fitaovana ara-teknika izay misandrahaka amin'ny aterineto manerantany ary maka ny sarin'ireo tranonkala manerana ny tambajotra. Ity fomba fiasan'ny archive.org, izay antsoina hoe Wayback Machine ity dia mahasoa ho an'ny mpanao gazety sy mpikatroka manao fanadihadiana ny zavatra lasa nataon'ny orinasa sy ny olo-malaza manerana izao tontolo izao, anisan'izany ny ao Kyrgyzstan, izay laharana faha 136 amin'ireo orinasa 176 tao anatin'ny tatitra momba ny Fahitàna ny Kolikoly avy amin'ny Transparency International.

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, namoaka pejy habaka voatahiry sivy taona tao tamin'ny tranonkala ny mpikatroka iray ao an-toerana mba hanehoana fisalasalana amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta hankasitraka ny fifanekena stratejika momba ny herinaratra mandeha amin'ny rano miaraka amin'ny orinasa Czech iray.

Nofafan'ny #liglass ny tranonkalany noho ny lainga momba ny vola amina miliara sy ny orinasa herinaratra mandeha amin'ny rano ao amin'ny Repoblikan'i Czech, Armenia, Rosia. Saingy misy ny dika mitovy voatahiry.

Nahatonga ireo mpiserasera ao an-toerana hilaza ireo anton-javatra ireo fa tsy tena momba ny “extremisma” loatra ny fanakanana.

Namely ny fanjakana ny aterineto ka ao anatin'ny lalan'ny ady izy ireo ankehitriny!

Efa nanao fanairana hatrany ny governemanta ao amin'ny faritra Sovietika taloha satria olom-pirenena an'arivony no nanatevin-daharana ny antoko radikaly miady ao Syria sy Irak.

Nilaza ireo mpiserasera aterineto ao Rosia fa tsy afaka niditra tao amin'ny Archive.org tamin'ny taona 2015, ary noheverina fa ny mpandrindra ny fifandraisana ao amin'ny firenena, Roskomnadzor ihany koa no nanakana ny tranonkala noho ny antony voalaza fa iadiana amin'ny fihetsika mitrifana.

Ao Kirghizistan sy Kazakhstan, mpifanolo-bodirindrina amin'i Rosia, nanakana tranonkala an-jatony ny governemanta tao anatin'ny taona vitsy satria heveriny fa mampiely hevitra mahery fihetsika. Nahazo vahana ny krizin'ny fanakanana tamin'ny taona 2014, raha navoakan'ny iray tamin'ireo fampahalalam-baovaon'ny vondrona milisy ISIS ny lahatsary iray voalaza fa nampiseho ankizy tsy ampy taona teratany Kazakh manao fiofanana miaramila ao Syria.

Nanapa-kevitra hanakatona ny Youtube sy ireo sehatra fifampizaràna lahatsary ihany koa i Tajikistan, firenena iray hafa ao Azia Afovoany rehefa nanambara ny fialàny [mg] tamin'ny ISIS tamin'ny alalan'ny lahatsary nankatoavin'ny vondrona tamin'ny 2015 ny komandy lehiben'ny polisy iray avy ao amin'ny firenena.

Nankatò ny lalàna iadiana amin'ny extremisma ny parlemanta Tajik tamin'ny 13 Jolay, lalàna izay ahafahan'ny sampam-piarovana hanan-jo hanaramaso tranonkala notsidihana sy ireo fanehoan-kevitra ataon'ny olom-pirenena any anaty aterineto. Saingy tsy mikasika ny rafitra izay ho ampiasaina hanaraha-maso ny fampiasana aterineto ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny antenimiera. Tsy mbola nivoaka ho an'ny be sy ny maro ny lahatsoratry ny volavolan-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.