· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2009

Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony

  22 Novambra 2009

Iza no nino fa niteraka fifanenjanana teo amin'ny firenena roa tonta ny fihaonana baolina fandaka (football) iray? Tafakatra any amin'ny dingana tsy novisavisaina ny fifanandrinana teo amin'i Ejipta sy Alzeria ka maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy fifandraisany amin'ny lalao fiadian-toerana handraisana anjara amin'ny fifaninanana ho tompondaka manerantany izao gidragidra eny an-dalambe izao. Mitantara ho antsika i Tarek Amr ary mandika azy ho teny malagasy i Jentilisa.

Iran: zavakanto manohitra

  17 Novambra 2009

Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso’...

Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?

  04 Novambra 2009

Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.