Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Febroary, 2019
Dokambarotra Japoney Nikendrena Ny Vehivavy, Voakiana Noho Ny Tsy Fitiavany Vehivavy. Indray….
Ity no farany nivoaka taorian'ireo dokambarotra Japoney maro be izay niteraka resabe tanaty aterineto momba ny hafatra voalaza fa mankahala ny vehivavy.
Nofoanan'ny onjam-peo iray ao Rosia ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpikatroka LGBT taorian'ny fandrahonana ny tonian-dahatsoratra

Naharay fandrahonana ho an'ny vahininay sy ny tenanay manokana izahay omaly raha miroso amin'ny fandaharana resadresaka momba ny LGBT. Ka nofoanako ny fandaharana.
Koety: Mandria Am-piadanana ry Ahmad AlRubi'e
Mitomany ny fahalasanan'ilay avara-pianarana mpitarika sady mpanao politika, Dr Ahmad AlRubi'e, ireo bilaogera Koetiana. Maro ireo bilaogera namoaka fiaraha-miory tamin'ny fianakaviany tao ami'ny bilaogin-dry zareo ary ny sasany tamin'ireo nanoratra tamim-pirehetampo fatratra momba ny fifandraisan-dry zareo taminy. I Abdullatif AlOmar no mitondra ny tantara amintsika.
Nahoana Ireo Sinoa Mpanao Aterineto No Mino Ny Tondrom-pandrefesana Entam-barotra Iray ho Afaka Haminaniana ny Toe-draharaha Erantany?
Araka ny anganongano, ny tondrom-pandrefesana an'ireo akora fototra Yiwu dia naminavina ny ho vokatry ny fifidianana filoham-pirenena amerikana tamin'ny taona 2016 ary mipetraka mitovy amin'izay koa ho an'ireo hetsipanoherana "salotra mavo" ao Eoropa.
Na Tsy Betsaka Aza Ny Fampiasana Ny Aterineto, Sakanan'i Borondi Ny Viber Sy Ny WhatsApp

Latsaky ny 2% amin'ireo mponina miisa 10,2 tapitrisa ao Borondi no mampiasa Aterineto. Nefa nosakanan'ny governemanta ny Viber sy ny WhatsApp tamin'ity herinandro ity, tao anatin'ireo fihetsiketsehana.
Misy fitsabahana ara-politika ve ao amin'ny tambajotram-pahitalavitra ho an'ny daholobe ao Timor-Leste?
Nisy fikasana maromaro hitsabaka ara-politika nanindry tamiko sy tamin'ireo mpanao gazety mivantana mba hitarihan-jotra ny votoatim-baovao.
Miaraka amin'i Rosia sy Shina ny firenena Karibeana amin'ny fanohanana an'i Venezoela araka ny sarintanin'izao tontolo izao nasehon'ny Foreign Policy
Mety mahaliana tokoa izany raha ara-jeôgrafia politika, saingy tsy maneho taratra ny zava-misy marina.
#AfahoAmade: mpanao gazety nosamborina sy nampijaliana taorian'ny nitaterany ny herisetra tany avaratr'i Mozambika

Notanan'ny polisy Mozambikana ilay mpanao gazety raha nitatitra ny tantara nitranga tao Cabo Delgado.
Notsoahan'ny mpampanoa lalàna Azerbaijani ny fiampangana niteraka resabe an'ilay gadra politika
Nidera ny fanafahana ho toy ny fandresen'ny vahoaka ireo mpikatroka.
DoGooder.tv: Vohikala Fizaràna Lahatsary ho an'ireo Tsy Mikatsaka Tombontsoa Manokana
Vohikala iray natao ho an'ireo lahatsary miaro fotokevitra ny DoGooder.tv. Amin'ny alalan'io, afaka mampiroborobo ny fotokeviny aminà mpijery voafaritra ireo fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana: mpijery efa liana amin'izay tiany ambara, sy mitady fomba hahafahany manampy.