Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2017
Kolombia: Ny Fanakatonana Ny Gazetiboky Cambio
Nakaton'ny tompony ny gazetiboky Cambio, fantatra amin'ireo tatitra fanadihadiana fanaony. Fanakatonana izay lazaina fa noho ny antony ara-bola. Kanefa ho an'ireo mpanao gazety, dia antony ara-politika no nanosika ny fandraisana fanapahankevitra.
Filipina: Mbola Saro-Pantarina Kokoa Aza ny Vaovao Faikany Ao Amin'ny Facebook Voatra Maimaim-Poana
Mahatonga ny mpisera tsy ampy fananana ho taraiky ny famerana apetraky ny Free Basics, noho ny fahavitsian'ny fampahafantarana ilaina azon-dry zareo -- ka tsy ahafahandry zareo mamaritra loatra raha azo itokisana na tsia ny vaovao hitany.
Manohana An'ny Nichane Ny Blogoma Raha Tsy Miraharaha Kosa Ny Media Lehibe Maraokana
Mitohy mihamafy hatrany ny adihevitra momba ny Nichane. Ankehitriny, araka ny filazan'i Farid, mitohy hatrany ao amin'ny aterineto izany satria ny bilaogy Maraokana ihany no tsy voakasiky ny fanohanan'ny Media Lehibe.
Kurdistance… [Fijoroana Kiorda]
Nitranga tamiko ny zavatra tena mahatsiravina indrindra....ny fifamoivoizam-baovao RSS ho an'ny bilaogy Kiorda, nanjavona avokoa ny vaovao rehetra. Ka amin'ny fiatrehana ny olana, dia hamela olona vitsy ny lahatsoratra androany. Soa fa tsy very ny asako rehetra satria mbola azo jerena ao amin'ny tranonkala bilaogiko ny vaovao RSS rehetra.
Okraina, Rosia: Personae Non Gratae
Tamin'ny 12 Mey, nambara fa persona non grata (tsy ankasitrahana) ao Okraina ny ben'ny tanànan'i Moskoa Yuri Luzhkov, noho ny fangatahany tamin'i Rosia mba haka ny Sevastopol, Seranan-tsambo ao amin'ny Ranomasina Mainty Okrainiana.
Manokatra Sehatra Vaovao Ho An'ny Adihevitry Ny Vahoaka Ny Media Sosialy Ao Ghana
Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena Ganeana 2016, tao anatin'ny fiadiana fahefana goavana, nisy zavatra hafa nihamafy. Nanjary fitaovana lehibe ho an'ireo mpifidy ny media sosialy sy ny sehatra antserasera. Nanjary zava-dehibe toy ny fandraisam-pitenenana amin'ny famoriam-bahoaka ny fandraisan' anjaran'ireo mpifidy ao amin'ny sehatra nomerika.
Shina: Famonoana Any Am-pianarana Sy Tsy Fahatomombanana Ara-piarahamonina
"Manana ny fototra niaingany ny tsy rariny ara-piarahamonina sy ny trosa, miodina miankavanana ianao dia mahita ny tranom-panjakana."
Milaza Lainga Momba Ny Fifanakalozan-Kevitra Teo Amin'ny Governemanta Sy Ny Orinasa Mpitrandraka Volamena Fahatelo Lehibe Manerantany Ny Haino Aman-jery Tanzaniana
Zavatra iray no nolazain'ny lehiben'ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany Barrick Gold, fa tena zavatra hafa no nambaran'ny gazety.
Tontolon'ny Bilaogy Hindi: Fidiram-bola Amin'ny Dokambarotra, Bollywood sy Tantara Hafa
Tsy manana olana amin'ny fametrahana dokambarotra ireo bilaogera maro manoratra amin'ny teny Anglisy ary maro amin'izy ireo no miteraka fidiram-bola ampy avy amin'ny bilaogin'izy ireo. Saingy tonga ny olana rehefa tsy mibilaogy amin'ny teny Anglisy ianao fa amin'ny teny hafa satria manomboka mihena ny safidinao amin'ny dokambarotra
Fomba Vaovao Mihitsy No Iheveran'ireo Vehivavy Ejiptiana ny Fisaraham-panambadiana
Tany aloha, nolazaina fa lehilahy iray ho an'ny vehivavy efatra no nisy tao Ejipta.