Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2010
MalawiSoc: Manaraka ny vaovao sy ny bilaogy Malaoita
Clement Nthambazale Nyirenda diampianatra mamarana ny fianarany hahazoany ny doctorat ao amin'ny laboratoara Hirota/Sakurai, Department of Computational Intelligence and Systems Science ao amin'ny Ivontoerana momba ny Teknolojia any Tokyo no sady mpampianatra mpikaroka sy fakan-kevitra ao amin'ny Sampam-pianarana Elektronika sy momba ny haitaon'ny Solosaina ao amin'ny Malawi Polytechnic. Izy no namorona ny MalawiSoc, tranonkala sosialy anovana ireny 'bookmarking' ireny, voatokana ho an'ny vaovao sy ny bilaogy mikasika an'i Malawi.
Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera
Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy: Tena marina? kôlera? Nataoko fa efa tsy nisy...
Serbia: Polisy Mihaza vondrona Facebook mankahala vehivavy
Ny Lehiben'ny Fampanoavana Serba, miara miasa amin'ny Ministeran'ny Atitany Serba, dia nanao fanadihadiana mikasika ny vondrona Serba ao amin'ny Facebook "Fahafatesana ho an'ny vehivavy“ ("Smrt ženama"), izay nampiely fahankahalàtrna vehivavy.
Rosia: Mihamaro ny mpanao gazety misy midaroka

Igor Podgorny no mitatitra ny nidarohana an'i Sergey Mikhailov, mpanao gazetin'i Saratov, izay nitranga ny 5 Novambra 2010. Kommersant koa manoratra ny nidarohana an'i Anatoliy Adamchuk mpanao gazety avy ao...
Danimarka: TV Kiorda Voampanga ho Manohana Mpampihorohoro
Voarohirohy ho manohana terorista (mpampihorohoro), hoy ny mpampanoa lalàna any Danimarka ny Roj TV, Fahitalavitra iray mandeha amin'ny zanabolana miteny amin'ny fiteny kiorda ary miorina any Danimarka. Mety ho foanana...
Maorisy: Vakio ny tontolom-bolongana maorisiana
Fantaro sy vakio miaraka amin'ny Mauritius Blog Tracker ny bolongana, lahatsary sy sary ary ny valan-tserasera Maorisiana [izay tsy famakintsika eto matetika loatra].
Japana: Haino aman-jery manao an-tendrony sy ny fandisoam-baovao
Mpitoraka bilaogy iray tsy nitonona anarana ao amin'ny NewzJapan.com no mitefotefoka ny fandrakofam-baovao nataon'ny CNN momba an'i Japana. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Ny Halloween any Japana sy...
Makedonia: Nampifantoka ny maso teto amin'ny aterineto ny TEDxSkopje
Ny mpandray anjara niresaka momba ny lanonana TEDx tao Makedonia dia nihevitra azy avokoa ho fahombiazana tanteraka. Nahafahana niresaka tamin-kahalalahana sy nampisy aingam-panahy farafaharatsiny tamin'ny olona zato nandray anjara ho...
Korea Atsimo: Fifampitifiran'ny Super-Supermarkets (Fivarotana goavambe) any anaty Twitter
Raha manao telimoka an'ireo fandraharahàna madinika ireo toeram-pivarotana goavambe, mipongatra kosa ny adihevitra mivaivay ao Korea, na io anaty aterineto na ety ivelany. Ny alin'ny 28 Oktobra, raha tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Fahitalavitra lehibe iray ny fifanakalozan-dresaka mikasika ny SSM (Super SuperMarket), mpifanandrina roa goavana , ny iray misolo tena ireo mpiombon'antoka goavana ary ny iray mpiaro ny tompona fandraharahàna madinika, no nifamaky ady tao amin'ny Twitter.