Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2022
Ben'ny tanàna fahiny tao Tiorkia milaza fa nahita tahirina vatomamy (jellybeans) nafenina ireo tomponandraikitra
Namaly fanontaniana momba ireo tahirin-tsolika hita vao haingana ilay ben'ny tanàna fahiny rehefa nanao fanehoankevitra momba ny nahitàna tahirina vatomamy marobe
Ny Torolalana indiana 2022 fahazoan'ny Fampitam-baovao fankatoavana
Nampiketrona ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao gazety, ireo mpikatroka, ary ireo olom-pirenena indiana voakasik'izany ny torolalana vaovao fahazoana fankatoavana noho ny fanomezana vahana ny manampahefana.
Manohitra ny famerana azy ny mpanao gazety Timor-Leste ary manamafy ny zony hanontany ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Shina
Nampiseho ny fomba nataony ny firenena mahaleo tena zandriny indrindra sy fanaovan-gazety vao haingana indrindra any Azia-Pasifika. Mijoro manoloana ireo mpiandry vavahadin'ny fampahalalam-baovao Shinoa sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy manohintohina ny asa fanaovan-gazety any amin'ny faritra ambony indrindra."
Shireen Abu Akleh, mpanao gazety Palestiniana malaza, maty voatifitry ny bala Israeliana teo amin'ny lohany
Notifirina tamin'ny bala teo amin'ny sofiny i Shireen, teo ambanin'ny arolohany na dia nanao akanjo famantarana ny mpanao gazety sy nijoro teo amin'ny toerana tazan'ny miaramila Israeliana izay nitifitra azy aza izy.
Lalàna vaovao mandrangotra ny fahalalaham-baovao sy fitenenana ao Mozambika
Na iza na iza, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, mamoaka torohay efa nampirimina araka ity lalàna ity dia hosaziana fanagadrana 12 ka hatramin'ny 16 taona.
Ao an-drenivohitr'i Azerbaijan, antso ho an'ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao an'ireo mpikatroka
Vondrona mpikatroka anaty fiarahamonim-pirenena iray nanomana famoriambahoaka tao Bakou, mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao amin'ireo mpanakiana ny governemanta, ireo mpikatroka ara-politika ary ireo mpanao gazety.
Niova fomba fanjifàna hira ny Afrikana ary miditra amin'ireo goavan'ny fandefasankira iraisampirenena aza
Taorian'ny fironana maneran-tany, tsy nitsahatra nijotso ny fivarotana kapila mangilatra (CD) noho ny fizoran'ny mpankafy hira any amin'ny fitrohana ankihy.
Ao Azerbaijàna, mampahonena ny fahalalahan'ny media araka ny voalazan'ireo manampahaizana
Amin'izao fotoana izao izay farafahakeliny mpanao gazety efatra no mbola voafonja, ary voasakana ireo tranonkala Web tsy miankina sy mpanohitra, ary manjaka ao Azerbaidjan ny sivana, dia tsy misy antony mihitsy hiravoravoana amin'ity anio ity.