Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2015
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Mahatonga fanontaniana maro ao Bangladesh ny fanafihana tamin'ny baomba ny fivorian'ny Shiita tao Dhaka
Voatatitra fa nilaza tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny baomba tao Hussaini Dalan, izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olona maherin'ny enimpolo ny Fanjakana Islamika.
Lisitry ny Habaka Voaràra ao Okraina: Fepetram-Piarovana Sa Fitaovam-Panivanana?
Milaza ny polisin'ny aterineto vaovao ao Okraina fa hiaro ny Okraniana amin'ny aterineto no tanjony, saingy miteraka ahiahy eo amin'ireo mpiserasera ny lisitra misy ireo habaka voaràra ao Okraina fa hisy fiantraikany amin'ny fahalalaham-pitenenana.
Iraniana-Amerikana Filoha Vaovaon'ny Twitter, Ny Fanehoankevitry Ny Iraniana
Tokony havelanareo any i Omid Kordestani. Na Iraniana iray aza tsy arahany. Azafady, aza dia mitabataba tahaka izao satria fotsiny hoe Iraniana izy. Misaotra.
Lahatsarim-Panadihadiana Mamakafaka ny hoe Ahoana izany Mainty ao Japana izany
Fakafakain'ny bilaogeran-dahatsary roa malaza ao amin'ity fanadihadiana feno sy lava ity izany atao hoe mainty ao Japana izany.
Mihantsy Ny Sivana Ireo Mpanao Sariitatra Ara-politika Amin'ny Fampisehoana Ny ‘Demokrasia’ Amin'ny Endrika Thailandey
"Ilay mpanao sariitatra ara-politika nitsikera ny governemanta tohanan'ny miaramila ao Thailandy indray no mpanao gazety farany nampanantsoin'ny tafika hanaraka "fanitsiana fihetsika" ."
Nibahan-Toerana Indray Andro Tamin'ny Gazety Danoà Mpivoaka Isan'andro Ny Mpitsoa-ponenana Hizara Ny Tantaran'izy Ireo
Nanasa mpitsoa-ponenana 12 ny gazety mivoaka isan'andro danoà Information, ka ny sasany vao tonga, ary matihanina amin'ny fanaovan-gazety avokoa izy rehetra, ka nameno ny 48 pejin'ny gazety tamin'ny Zoma 9 Oktobra.
“Ho an'ireo Tsy Mahavita Intsony Mandeha Mifidy Amim-pahavitrihana”
"Tsy misy tokony ho andrasana intsony amin'ireo izay mitondra antsika." Misy hetsika ataon'olon-tsotra mandray an-tànana ny raharaha.
Lehilahy Mitety Izao Tontolo Izao Tsy Hijery Fa Hihaino
Mpiangaly mozika ilay mpanakanto am-peo Jacob Kirkegaard taloha. Saingy nahita izy fa aleony mahita feo toy izay manao izany. Ankehitriny mandrakitra izay zara raha mba fantatry ny olona izy.
Bilaogin-dahatsary iray manolotra fomba fijery lalina amin'ny fomba fiasan'ny politika Japoney
Japan specialist Tim Langley, manampahaizana manokana amin'ny politika japoney, dia manolotra ireo raharaha tsy mba tantarain'ny gazety mahazatra, amin'ny alalan'ny bilaogin-dahatsoratra iray tsy miverin-dalana.