Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2021
Fampahalalam-baovao tsy miankina nampidirina lisitry ny “kasinga vahiny” fanampiny ao Rosia
"Ary amin'ny lisitry ny kasinga vahiny, amin'izao fotoana izao ahitana olona maotina maro dia maro sy ranty toa izany koa ao izay manjary mahamenatra fotsiny izao ny tsy maha-ao anaty lisitra anao."
Nopetahan'ny fitsarana Belarus ho “extremiste” ny seha-mpampitam-baovao mahaleotena Tut.by, Zerkalo.io
Ny didy dia mihatra amin'ny singam-botoaty tsirairay ao amin'ny tranonkala, sy ny votoaty rehetra naranty tao amin'ny fantsona media sosialiny.
Tsy azo itokiana ve? Mitombo ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19 ary ny fifidianana ao Amerika Latina sy Karaiba
Mifangarika amin'ny fitobahan'ny vaovao diso sy ny fanelezana tsaho mandifotra ilay faritra ny tsy fahampian'ny torohay azo itokiana momba ireo olana saropady, tafiditra amin'izany ny ady atao amin'ny COVID-19.
Ahoana ny naneren'ny propagandy shinoa ny sendikan'ny mpampianatra lehibe indrindra ao Hong Kong holevonina?
Ankilan'ny HKPTU, dia asian'ny fampitam-baovaom-panjakana shinoa ihany koa ny Fikambanan'ny mpisolovava, ny fiarahamonin'ny mpitsara, ny fikambanan'ny mpanao gazety, ny fikambanan'ny infirmiera, ny konfederasionan'ny sendikà ao Hong Kong ary ny maro hafa tsy voatanisa.
Mangataka ny famotsorana an'i Cheng Lei izay voatazona herintaona an-tranomaizina tany Shina ireo mpanao gazety
"Manahy ny fiantraikan'ny fisamborana azy amin'ny asa fanaovan-gazety izahay, izay tsy mbola nampanahy toy izany hatramin'izay."
Nisy nandrovitra tamin'ny andron'ny herisetra an-dalambe faharoa avy amin'ny ankavanana hiringiriny ny sainan'ny Vondrona Eoropeana tao amin'ny Parlemanta Zeorziana
Vahoaka an'arivony maro, anisan'izany ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny pelaka sy ireo mpanohana ary ny mpitarika ny mpanohitra, no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta tao Tbilisi hanohitra ny herisetra atao amin'ireo LGBTQI+ sy ny mpikarakara ny Fireharehana.
Mbola miasa na dia tafihana, samborina sy endahina aza ny gazety pro-demaokraty Apple Daily
Tamin'ireo mpitantana ambony dimy nosamborina, nampangaina amin'ny fomba ofisialy ho mifandray tendro amin'ny singa ivelany ny roa tamin'ny 18 jona
Vehivavy ao Shily nahatsangana vondrom-piarahamonina mahomby amin'ny alalan'ny radio
"Maro ireo mihevitra fa maty ny ham radio noho ny aterineto, saingy tsy izay no izy."
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Orsa volontany Japoney mirenireny eny an-tanàna lehibe indrindra ao amin'ny nosy Hokkaido
Mampiseho ny fitomboan'ny fifampikasohana eo amin'ny orsa sy ny olona any Japana ny zava-nitranga.