Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2017
Bilaogy Ho an'ny Fandriampahaleman'i Afovoany Atsinanana
"Fanirianay ny hahalasa an’ity bilaogy ity ho toerana goavana tsidihan'ireo olona rehetra izay te hahalala ny tena zava-mitranga eo amin'ny tany Israeliana sy Palestiniana, ka hanomboka hamoaka vaovao lehibe eto izahay alohan'ny hamoahana azy ireo any amin'ny media", hoy i Daniel Lubetzky, mpanangana ny Bilaogy OneVoice.
Ao Tanzania, Olana Lehibe Iray Ny Aretina Hepatita, Fa Mbola ny VIH/SIDA Aloha No Tena Mamono Betsaka
Porofoin'ny tarehimarika fa raha toa ka mihamitombo ny tahan'isan'ny fifindràna sy fianahan'ny aretina hepatita, dia mihamiakatra ihany koa amin'ny ankapobeny ny isan'ireo mamoy ny ainy vokatry ny aretina VIH/SIDA
Noivaivain'ny Praiminisitra Albaney ny Mpanao Gazety Ny Taorian'ny Nifidianan'ny Parlemanta Ny Fiarovana Ilay Mpanao Lalàna Tsy Ho Samborina
"Helohin'ny Sendikan'ny Mpanao Gazety ny fihetsika sy ny fanevatevana toy izany izay mifandray mivantana amin'ny toe-javatra sarotra atrehin'ny mpanao gazety eto Albania."
Goyana: Fitantarana Hafa Tamin'izay Zava-nitranga Nandritra ny Fampisehoan'i Akon
Niteraka resabe tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Goyaney ny herinandro lasa teo, ny lahatsary iray nahitana ilay mpihira hip-hop Akon nidaroka tanora tovovavy mpankafy iray nandritra ny fihetsika tao anaty vahoaka tamin'ny fampisehoana Carifesta tao Goyana .
Arabia Saodita: Fantsom-pahitalavitra Amin'ny Teny Persiana Ho An'ny Iraniana
Orinasam-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana Saodiana ny MBC , fantatra eo amin'ny tontolo Arabo noho ireo fantsona fialamboly sy noho ny fantsom-baovao Al-Arabiya . Nanomboka nanokatra fantsona vaovao tamin'ny 9 Jolay 2008 ity orinasa ity, MBC Persia, izay ahitana sarimihetsika amin'ny dikanteny Persiana [farsi].
Tongà : Nampangaina Ho Nifehy Ny Haino Aman-jerin'ny Fanjakàna Mialoha Ny Fifidianana Ny Governemanta
"Mila atsahatry ny governemanta ny fampiasana ireo antsoina hoe fatiantoka ho toy ny fialantsiny hampiharana ny fanovàna manasazy mikendry ny hanafoanana ny trano famoaham-baovao sy ny fitantanana any amin'ny iray amin'ireo fampielezam-peom-panjakana fototra any amin'ny faritra."
Herintaona Taorian'ny Fandraràna Gazety Iray, Mbola Atao Fahirano Hatrany Ny Media Tsy Miankina Ao Oman
Efa maherin'ny herintaona izao no nakaton'ny manampahefana Omeniana ny gazety Azamn tsy miankina amin'ny teny Arabo noho ny fandrakofana ataony mikasika ny kolikoly ao amin'ny Sultanate. Mbola any am-ponja, mamita sazy herintaona an-tranomaizina i Yousef Al-Haj, iray amin'ireo tonian-dahatsoratry ny gazety.
Kambodza: Mpitantara Antserasera Vaovao
Araka ny tatitry ny fikarohana iray navoakan'ny Pew Internet vao haingana, tsy mihevitra ny tenany ho mpanao gazety ny ankamaroan'ny bilaogera antserasera . Matetika tsy mahavita ny vitan'ny mpanao gazety izy ireo. Ahitana ireo andian'antsafa maromaro nataon'ireo olom-pirenena nomerika izay manao ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kambodziana.
Iran: Fihetsiketsehana Noho Ny Fandraràna Gazetiboky Momba Ny Vehivavy
Noraràn'ny governemanta Iraniana roa herinandro lasa izay ny Zanan Magazine (midika hoe "gazetim-behivavy"), taorian'ny 16 taona nivoahany. Tato anatin'ny taona vitsy, nofoanan'ny manampahefana Iraniana ny fahazoan-dalana an'ireo gazety sy gazetiboky marobe, saingy ny fanakatonana an'i Zanan no tena niteraka fanoherana lehibe tao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena.
Fanehoan-kevitra Momba Ny Lahatsary Nisy Mariazin'ny “Mpanjaka” Birmana
Navoaka antserasera tamin'ny herinandro lasa ny horonantsary iray avy amin'ny lahatsary tafaporitsaka momba ny fampakaram-badin'ny zanaka vavin'ny Jeneraly Than Shwe , mpitondra miaramila ao Myanmar (Birmania) . Tohina tamin'ny fampisehoana ny fandanian-karena mihoapapana ireo olona nahita ilay horonantsary .