· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Mey, 2018

Martinika : Ireo Andriana Farany Tao Amin'ireo Nosy

...hetsika nateraky ny fisaintsainana manodidina ny ampihimamba ara-toekarena ataon'ny fianakaviana vitsivitsy...Tsy maintsy iomanantsika koa ny fikisahan'io ho amin'ny resaka fanavakavahana volonkoditra sy fankahalàna vahiny izay mazava ho azy fa ho lavina ny filazàna azy amin'izany fomba fiantso izany, samy mahafantatra isika rehetra fa mandeha zotra tokana ny fanavakavahana volonkoditra sy fankahalàna vahiny, sa tsy izany ?

29 Mey 2018

Japana : ‘Yoshiharu Habu sy ny Shogi maoderina’, tetikasam-pandikanteny ifarimbonana

Nahita masoandro tampoka teo ny tetikasa fandikan-teny fanaovan-tsoa iray mba handikana ho amin'ny teny anglisy ny sanganasan'i Mochio Umeda, mitondra ny lohateny hoe “Mijery ny Shogi-n'i Silicon Valley - Habu Yoshiharu sy ny Vanim-potoana maoderina” (シリコンバレーから将棋を観る-羽生善治と現代). Tsy ampy herinandro ny namitana azy iray manontolo.

29 Mey 2018

Venezoelà: Tsy alefa intsony ny fandaharana Ry Simpson

Iray amin'ny fandaharana fahitalavitra malaza indrindra manerantany amin'ny fiteny rehetra, nolazain'ny governemanta venezoelana ho tsy mendrika ny fandaharana Ry Simpson fa mampiana-dratsy ny ankizy, ka tsy ho alefa intsony. Fandaharana efa nandeha tao hatramin'ny taona 1989 anefa izany, ary ny tena nahasosotra ny bilaogera dia...

28 Mey 2018