Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2019
Vehivavy Mpikatroka Meksikana miady ho amin'ny fiarovana azy ireo ao amin'ny aterineto
Noho ny tenirohy #LoVirtualEsReal [tena misy ny virtoaly], nahavita nanova ny lalàna ireo olom-pirenena sy mpikatroka Meksikana toa an'i Olimpia Coral Melo Cruz mba hanasaziana izay olona rehetra, na vadiny na sipany na tsia, mamoaka sary amin'ny endrika mamoafady na fiainana manokana ara-pananahana tsy misy fankatoavan'ilay olona miseho amin'ny sary na lahatsary.
Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny
Nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversite injeniera ambony ao amin'ny firenena.
Ny fitsaboan-tena maharitra rehefa afaka tany Xinjiang
Manolotra ny fikarakarana ara-pitsaboana ho an'ireo niharam-boina tany amin'ny tobim-pamonjana Shinoa ny tetikasa fanohanana ara-bola handraisana anjara ao Kazakhstan saingy ela vao sitrana ny fiantraikan'izany ara-tsaina.
Nolavin'ny mpanara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety toy ny ‘setroka’ ny '70 Taonan'ny Fivoaran'ny Zon'olombelona ‘ tany Shina
Nitsipaka ny taratasy ofisialy avy amin'i Shina ka nilaza ny zon'olombelona ho toy "setroka" natao hanafenana ny "fandraketana mahatsiravina" ao amin'ny firenena amin'ny resaka zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety ny Reporters Sans Frontières.
Mitsikilo toa an'i Etazonia: ZunZuneo, toy ny Twitter sandoka mitsikilo ny fiainana manokan'ireo vahoaka Kiobàna
Tsy hoe fotsiny naka ny laharana telefaon'ireo Kiobàna antsasaka tapitrisa, nefa tsy nieràna no sady tsy fantany, ilay fandaharanasa ZunZuneo, fa koa mitsikilo sy mandalina ny fifandraisan-dry zareo sy ny "fironany ara-politika"
Dinika nasionaly ao Kamerona diso lalana
Nanomboka tamin'ny alatsinainy 30 septambra 2019 ny herinandro fifampiresahana hamaranana ny ady ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny milisin'ny faritra miteny anglisy ao Kamerona, ary tontosaina ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Yaoundé izany. Na izany aza, mitarazoka ao amin'ny tahotra ny olompirenena fa tsy hampitsahatra ny krizy ny fifampiresaham-pandriampahalemana.
Nahoana isika no tsy maintsy mampiseho ny marina momba an'i Turkmenistan
Iray amin'ireo jadona mpanao famoretana indrindra manerantany ny fireneko, Turkmenistan.
Avy ao Syria mankany amin'izao tontolo izao: Fanamarihana momba ny jadona, ny ady sy ny fahadisoam-panantenana
Mifototra amin'ny zava-misy ankehitriny sy ny tantara marina momba ny vahoaka Syriana, anisan'izany ireo namana sy havan'ny mpanoratra, mampiseho ny lafiny maro amin'ny voina Syriana ireo Fanamarihana ireo ary mampiseho mazava ny faharefoan'ny fiainana Syriana.
Manohitra ireo Filipiana mpampianatra satria tsy tanteraka ny fampanantenana fisondrotan-karama nataon'ny fitondrana
"Efa ho telo taona izao no naha filoham-panjakana an'i Duterte ary fitaka ilay fampanantenana fampitomboana ny karama ho an'ireo mpampianatra.."
Tsy manan-tany, tsy misy trondro: miady amin'ny fandrahonana roa sosona ny vondrom-piarahamonina Mekong any avaratra atsinanan'i Thailandy
"Tsy azoko fa tena vaky ny lohako. Ahoana no ahafahany mandrava izany? Tsy manan-trano hipetrahana aho. Tsy mpampiasa vola manankarena izahay. Vahoaka mahantra izahay."