Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny

Mpianatry ny Oniversiten'i Bangladesh momba ny Injeniera sy ny Teknolojia nanao fihetsiketsehana tamin'ny volana Aprily 2018 mba hanavao ny rafitra quota (anjara) ao amin'ny tolo-panjakana. Sary tao amin'ny Wikipedia by Rahat Chowdhury. CC BY-SA 3.0

Nanozongozona an'i Bangladesh ny fihetsiketsehan'ny mpianatra manerana ny firenena taorian'ny fahafatesana mpianatra iray tao amin'ny Oniversite malaza iray ao Bangladesh momba ny maotera sy ny Teknolojia (BUET) izay maty nodarohan'ireo mpianatra namana ao amin'ny antokon'ny fitondrana, Awami League tamin'ny 7 Oktobra vao maraina. Nampibaribary ny fanararaotana ataon'ireo mpianatra eny amin'ny oniversitem-panjakana manerana ny firenena sy ny fikasana hanototra ny fiampangana ny famonoana an'i Abrar Fahad, 21 taona tao amin'ny efitranon'ny mpianatra ao BUET .

Taorian'ny famonoana, nivoaka ireo mpianatry BUET sy ny ivom-pampianarana hafa mba hitantara ny fanararaotana ataon'ireo mpianatra zokiny izay anisan'ny fomba fanao amin'ny fanenjehana na fandrahonana misy ambadika politika. Ny fanenjehana dia matetika antsoina hoe “fombafomba fanombohana” (batemy) nentin-drazana ampiharina eny amin'ireo ivom-pampianarana any amin'ireo firenena Aziatika Atsimo, izay ahitana ny fihoaram-pefy ataon'ireo mpianatra zokiny amin'ireo mpianatra zandriny.

Tamin'ny alarobia 9 Oktobra, nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversiten'ny injeniera (milina na motera) ambony ao amin'ny firenena izay mpianatra mendrika ihany no tafiditra ao aorian'ny fanadinam-panjakana hentitra dia hentitra.

Ny tranoben'ny Injeniera Sivily ao amin'ny BUET. Sary tao amin'ny Wikipedia avy amin'i Raiyan Kamal. CC BY-SA 2.5

Manasongadina mailaka tafaporitsaka, Dhaka Tribune mampahafantatra fa nangataka tamin'ireo mpandraharahan'ny International Internet Gateway (IIG) sy ny mpanome tolotra aterineto (FA-(fr) ao amin'ny firenena ny BTRC mba hanakana avy hatrany ny tranokala voalaza ao amin'ny tambajotra misy azy ireo. Tsy nisy antony nomena nahatonga io baiko io.

Highlighting a leaked email, Dhaka Tribune informs that, BTRC asked all the International Internet Gateway (IIG) operators and internet service providers (ISP) of the country to block the said webpage from their networks immediately. No reason was given in the order.

Fitarainana miisa 72 farafahakeliny no napetraka nandritra ny roa andro, taorian'ny famonoana an'i Abrar Fahad tao anatin'ny efitra fatorian'ny mpianatra!

Mampiseho izany fa tsy manan-jo velively hitaraina ianao

This shows that you don't have any right to complain.

Ahitana rafitra fitateram-baovao antserasera tsy mitonona anarana eo ambanin'ny tranonkalan'ny departemantan'ny siansa informatika sy injeniera ao amin'ny BUET (CSE) izay anisan'ny fikarohana ao an-dakilasy ny pejy voasakana. Taorian'ny fanararaotana sy famonoana an'i Fahad, dia nitady sehatra hamoahana ny zava-iainan'izy ireo amin'ny fanararaotana sy ny isan'ny fitarainana tsy mitonona anarana napetraky ny mpianatra ankehitriny sy ny taloha tao amin'ny oniversite ireo mpianatra – izay momba ny herisetra sy ny fanararaotana ataon'ireo mpianatra zokiny mpikambana ao amin'ny Bangladesh Chhatra League (BCL), elatry ny mpianatra ao amin'ny antokon'ny fitondrana no ankamaroany. Nitatitra ny mpiserasera fa tsy afaka miditra ny pejy intsony izy ireo. Na izany aza, nozaraina tao amin'ny haino aman-jery sosialy ireo dika mitovy amin'ny fitarainana.

abrar isika

Novonoina noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny Facebook

Killed over a Facebook comment

Milaza ny tatitra iray tao amin'ny Daily Star fa mety novonoina noho ny zavatra nosoratany tao amin'ny Facebook ilay mpianatra. Tao amin'ny sata Facebook-ny tamin'ny herinandro lasa teo, izay efa nozaraina in-69000 mahery, nitsikera ny fanasoniavana vao haingana ny fifanarahan'ny roa tonta, Bangladesh sy India nandritra ny fitsidihana ofisialy nataon”ny praiminisitra Sheikh Hasina tany India i Fahad. Voalaza fa nantsoin'ireo mpitarika ny BCL ao amin'ny Oniversite izy mba hanazava ny antony nanoratany fanambarana manohitra ny governemanta. Nivoaka ny tatitra fa matetika iharan'ny fanararaotana ara-batana ireo mpianatra manana fomba fijery manohitra.

A report in the Daily Star mentions that the student was possibly killed for his writings on Facebook. Last week in a Facebook status, which has been shared over 69000 times, Fahad had criticised the recent signing of bilateral agreements between Bangladesh and India during Prime Minister Sheikh Hasina’s official visit to India. He was reportedly called by the BCL leaders of the University to explain why he wrote such a critical statement against the government. Reports are coming out that students with dissenting views were often subjected to physical abuse.

Heloka be vava mahatsiravina ny famonoana an'i Abrar Fahad ka tsy maintsy atao fanadihadiana tsy misy hatak'andro. Nampihatra ny zony milamina ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra tamin'ny lahatsorany tao amin'ny Facebook, mitsikera ny governemanta fotsiny i Abrar

Nampiseho ny fandidiam-paty fa novelesina tamin'ny zavatra matevina teo amin'ny tanany sy ny tongony ary ny lamosiny i Fahad ary maty noho ny “ratra anatiny”.

Araka ny filazan'ny BBC, mahazatra ao anatin'ny oniversitem-panjakana any Bangladesh ny fanararaotana sy fandrahonana noho ny fananana fomba fijery ara-politika tsy mitovy na fandavana ny baikon'ireo mpitarika.

Tamin'ny herintaona, nilaza tamin'ny tatitra iray ny Human Rights Watch fa ireo izay mamoaka lahatsoratra amin'ny haino aman-jery sosialy ka mitsikera ny governemanta no lasibatra hatrany any Bangladesh, ary matetika ampiasaina ny Lalànan'ny TIC Fizarana 57 mampiadi-hevitra.

Section 57 of ICT Act authorizes the prosecution of any person who publishes, in electronic form, material that is fake and obscene; defamatory; “tends to deprave and corrupt” its audience; causes, or may cause, “deterioration in law and order;” prejudices the image of the state or a person; or “causes or may cause hurt to religious belief.”

Ny fizarana faha-57 ao amin'ny làlana mifehy ny TIC dia manome alàlana ny fanenjehana izay olona rehetra mamoaka, amin'ny endrika elektronika, fitaovana izay sandoka sy vetaveta; manala baraka; “mikasa hanaratsy sy manimba” ny mpihaino azy; miteraka, na mety hiteraka fahasimbana amin'ny lalàna sy ny filaminana;” manohintohina ny endriky ny fanjakana na ny olona iray; na “miteraka na mety hiteraka ratra amin'ny finoana ara-pivavahana.”

Tamin'ny volana aogositra 2018, nogadraina nandritra ny 100 andro ilay mpaka sary sady mpikatroka Bangladeshita Dr. Shahidul Alam noho ny lahatsorany tao amin'ny Facebook momba ny fihetsiketsehan'ny mpianatra tao an-drenivohitra, Dhaka.

Mitaky ny rariny ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

Nidina an-dalambe ny mpianatry BUET sy ny hafa ao amin'ny firenena mba hanohitra ny famonoana.

Manao fihetsiketsehana ho amin'ny rariny tamin'ny famonoana an'i Abrar ny mpianatry BUET.

Mpianatry EEE i Abrar, maty novonoin'ny mpianatra antokon'ny fitondrana BSL tao amin'ny efitranony.#JusticeForAbrar #Bangladesh

Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny oniversite misy azy avy ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Jahangirnagar mba hitaky sazy sahaza ho an'ireo mpamono ilay mpianatry BUET Abrar Fahad.

Rehefa avy nandinika ny rakitsarin'ny fakantsary fanaraha-maso avy ao amin'ny campus-n'ny Oniversite, nitazona mpianatra 13 noho ny famonoana an'i Fahad hatreto ny polisy, maro amin'izy ireo no mpikambana ao amin'ny Ligy Chhatra. Nametraka fitoriana olona miisa 19 momba ny raharaha famonoana ny zanany ny rain'i Fahad, Barkat Ullah.

Raki-tsarin'ny fakantsary fanaraha-maso ahitana ireo mpianatra mpitarika vitsivitsy namono ny mpianatry BUET antsoina hoe #AbrarFahad. Avy eo, nanipy ny vatana mangatsiaka tao amin'ny tohatry ny efitry ny mpianatra. Nametraka fitoriana mikasika ny raharaha ny rain'ilay maty

Nampanantena ny praiminisitra Sheikh Hasina fa hiharan'ny sazy ambony indrindra ilay mpamono ary tsy hisy hiala maina na inona na inona fironana ara-politika misy azy. Niaro ny sasantsasany tamin'ny fanapahan-kevitry ny roa tonta (Bangladesh sy India) nataon'ny fitondrana Bangladesh nandritra ny  fitsidihany tany India vao haingana ihany koa izy, anisan'izany ny fizarana rano sy ny fanondranana entona LPG, izay notsikeran'i Fahad.

Nanontany tena ihany koa ny mpiserasera mikasika ny fanapahan-kevitry ny BUET hanokatra ny rafitra fitarainana saropady ho an'ny besinimaro izay mety hampidi-doza ny mpitaraina. Afaka manafina mora foana tsy voatery handohalika amin'ny manampahefana mpandrindra aterineto ny mpandrindra ny rafitra famenoan-taratasy ao amin'ny  BUET. Tamin'ny fotoana nanoratana, dia tsy azo nidirana ny tranonkalan'ny BUET manontolo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.