Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2019
Famorian-tanora ao Shina hampitsarahana ny fahaverezam-pimaroamboary sy mampiroborobo ny firindrana miaraka amin'ny natiora
Nampiray toerana tanora miisa 176 avy amin'ny firenena miisa 82, ny tsenan-kevitra notanterahana tao Changbaishan ao Shina, tamin'ny 15-18 Septambra.
Video: Roa volana fikatonana ao Kashmir
60 andro izay no niato ny fiara fitateram-bahoaka, voabahana ny servisy finday, mikatona ny sekoly sy ny kolejy ao Kashmir. Mitatitra avy ao Shopian i Basharat Amin, mpifandray amin'ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers.
Miahiahy momba ny “polisy misahana ny fitondran-tena” ny Azerbaijaney
Mahita ireo mponin'i Baku liam-pndrosoana fa tsy ara-pitondran-tena ny "polisy misahana ny fitondran-tena" ary milaza ireo manam-pahaizana fa tsy hahomby ny fanapahan-kevitra hametraka izany.
Taolana tapaka, ratra anaty: Mampiasa paikady ‘sahisahy, tsy manavaka’ ny polisin'i Hong Kong mandritra ny fihetsiketsehana, hoy ny Amnesty
"..mampiasa herisetra ny polisy mialoha sy mandritra ny fisamborana, eny fa na dia efa tsy afa-mihetsika sy voatazona aza ilay olona. Hita tokoa fa tafahoatra ny fampiasan-kery, manitsakitsaka ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena..."
Raha mihatsara ny filaminana ao El Salvador, mihemotra kosa izy eo amin'ny fahalalahan-gazety
Raha mihavitsy noho ny teo aloha ny famonoan'olona ao El Salvador, dia hita ho mirona mankany amin'ny fanivanana ireo fampitam-baovao sy feo mitsikera ny governemanta.
‘Lehilahy niverina tao Xinjiang toerana nahaterahany ary tsy hita ’ — Tantara iray mahazatra fanao lohateny lehibe
Iray amin'ireo vitsy an'isa an'hetsiny any Xinjiang izay tsy fantatra hoe aiza i Nurbolat Shalayit .
Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona
Niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny heintaona ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba ny dian'izy ireo.