An'arivony ireo mpampianatra nanao filaharam-be tao Filipina tamin'ny 4 Oktobra 2019 mba hangataka fanomezana fampiakarana karama “maha velona” ho azy ireo ihany sy ho an'ireo mpiasam-panjakana hafa koa, araka ilay fampanantenana nataon'ny governemantan'izy ireo. Ny omalin'ny Andro Erantany natokana ho an'ireo mpampianatra no natao ny filaharam-be mba hanasongadinana ny manjo ireo Filipiana mpanabe.
Araka ny voalazan'ny Ministeran'ny Fampianarana (DepEd), maherin'ny 800 000 no isan'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana amin'ny ambaratonga fototra sy faharoa ao Filipina. Efa ho ny 90% amin'izy ireo no mandray karama isam-bolana 20 000 pesos (387 USD). Eo amin'ny 287 USD ka hatramin'ny 308 USD ny karama farany ambany indrindra isam-bolana, nosoritan‘ny governemanta ho an'ireo karazana asa samihafa.
Ny Vovonan'ireo Mpampianatra Velon'ahiahy, fikambanana iray mpitarika ao amin'ilay hetsika, dia mitaky karama farany ambany 30 000 pesos (580 USD) ho an'ireo mpampianatra amin'ny sekoly ambaratonga voalohany. Nampatsiahiviny tamin'ny filoham-pirenena Rodrigo Duterte ihany koa ny fampanantenana nataony tamin'ny fampielezankevitra nanome antoka tamin'ny taona 2016 ny hampiakarana ny karaman'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka.
Na dia toa manan-danja aza izany, mbola ho ambanin'ny vidim-piainana isam-bolana 42 000 pesos (809 USD) hatrany ny karama farany ambany 30 000 pesos, nifototra tamin'ny kajy nataon'ny sekreteran'ny governemanta misahana ny fandrindrana ara-toekarena sy ara-tsosialy tamin'ny taona 2018.
Ny Contend, vondrona iray misy an'ireo mpikatroka mpanabe, no manazava ny antony nikarakarain'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana ny iray amin'ireo fihetsiketsehana teo akaikin'ny lapam-panjakana.
Efa ho telo taona izao no naha filoham-panjakana an'i Duterte ary fitaka ilay fampanantenana fampitomboana ny karama ho an'ireo mpampianatra. Ankehitriny, tototry ny fikarakaràna taratasin'asa ireo mpampianatra, voafantsika amin'ireo asa ivelan'ny fampianarana, torovan'ireo ora ampianarana sy ireo adidy, ary latsaka anaty fahantran'ny tsy fahampiam-bola.
Satur Ocampo, mpanao gazety zokiolona sady mpikatroka ela nihetezana, mitanisa ny asa fanampiny nataon'ireo mpanabe marobe:
…Miasa toy ny mpitantsoratra izy ireo, mpitahiry fanànana, mpanolotsaina mpanoro làlana, mpitsabo mpanampy, mpitantana tranomboky na mpiasa mpikojakoja sy mpanadio. Misy ireo andraikitra an'ny ministeran'ny Fahasalamana: maka an'ireo angona mikasika ny fahasalaman'ny mpianatra, manamora ny fandaharanasa fanadiovana sahanin'ny ministeran'ny fahasalamana, manome tànana amin'ireo fanentanana ho fanaovana vakisiny. Ho an'ny Departemantan'ny fiahiana sôsialy sy ny fampiroboroboana, izy ireo no mitantana ireo fandaharanasa mikasika ny sakafo any amin'ireo sekoly misy azy no sady manara-maso ireo mpianatra avy amin'ireo fianakaviana mahazo tombony amin'ilay fandaharanasa 4Ps [fanampiana ara-bola]. Ho an'ireo asa rehetra ireo, tsy mandray tambin-karama fanampiny ry zareo.
Nampiasa ny tenifototra Twitter #TuparinAngPangako (#TanterahoNyTokyNomena) Ireo mpampianatra sy ireo mpomba azy nandritra ny fihetsiketsehana
Tamin'ny faran'ny fandaharampotoanan'ny fanoherana, nanao hetsika niraisan'ireo olona tonga ireo mpampianatra mba hivaky hoe ‘3OK’ hanomezana endrika ny fangatahana ny karama farany ambany ho 30 000 pesos.
Valinteny tsy ampy avy amin'ny governemanta
Hatreto aloha, fepetra bitika no noraisin'ny governemanta Fillipiana mba hampitoniana ireo mpampianatra, fa tsy ny fampiakarana maharitra ny karama : tamin'ny volana jolay 2019, nanambara i Duterte fa nikaroka vahaolana ny governemanta mba hampiakarana tsikelikely ny karaman'ireo mpampianatra. Herinandro iray monja talohan'ny Andro Erantany ho an'ireo Mpampianatra, nandany vahaolana iray hanomezam-boninahitra ny asan'ireo mpampianatra ny antenimieran-doholona Filipiana. Farany, nanambara ny minisiteran'ny Fampianarana fa, amin'ny Andro Erantany ho an'ireo Mpampianatra, handray fankasitrahana ara-bola ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana . Saingy ny fanomezana 1 000 pesos amboniny fotsiny dia azo vinaniana fa tsy hanakana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy handeha lavidavitra kokoa.