Nahoana isika no tsy maintsy mampiseho ny marina momba an'i Turkmenistan

Mpanolotra vaovao ao amin'ny fantsona fahitalavitra Altyn Asyr ao Turkmenistan, mitatitra momba ireo vaovao farany momba ny filoha Gurbanguly Berdymukhamedov. Manana laharana ratsy indrindra manerantany momba ny fahalalahan'ny media i Turkmenistan. Tao amin'ny video YouTube an'i Watan Habarlaty tamin'ny 28 Aogositra 2019.
Iray amin'ireo jadona mpanao famoretana indrindra manerantany ny fireneko.
Tantanin'ny filoham-pirenena feno fitiavantena, fantatra amin'ny fihetsika ampahibemaso hafahafa sy ireo tetikasa tsy misy dikany, manana laharana tena mahamenatra momba ny zon'olombelona i Turkmenistan, firenena main-tany any Azia Afovoany. Mitantana firenena manana harena voajanahary, kanefa mbola ao anatin'ny krizy ara-toekarena lalina izy. Mampahonena ny toe-javatra iainan'ny Tiorkmenina tsotra, mitombo ny tsy fananana asa sy ny tsy fahampian-tsakafo. Satria mitombo ny filaharana ivelan'ny fivarotana, vaky ny ady noho ny mofo.
Tsy mahagaga intsony fa tsy mazoto mampahafantatra ireo zava-tsarotra ireo ny manampahefana. Vao haingana ny firenena no nasongadin'ny Reporters Sans Frontières ho laharana farany tamin'ny Tondro momba ny Fahalalahan-gazety 2019, “nandresy” an'i Korea Avaratra sy Syria. Tsy misy ny haino aman-jery tsy miankina ary voafetra mafy ny fifandraisana eo amin'ny olom-pirenena, ka raha mandeha ny vaovao dia mandeha any an-takonana. Izany no toerana hidirako.
Mpanorina sy tonian-dahatsoratra ao amin'ny Turkmen.News, tranonkalam-baovao any Holandy natomboka tamin'ny taona 2010 tamin'ny anarana hoe Alternative Turkmenistan News aho. Mamoaka vaovao sy famakafakana momba ny tontolo ara-toekarena, ara-tsosialy, ary ara-politika izahay. Nampianatra ahy ny asako fa sady sarotra no zava-dehibe ny asa amin'ny fahazoana vaovao tsy mitanila ao Turkmenistan.
Tamin'ny volana Jolay lasa teo, nandray anjara aho tamin'ny lanonana iray tany Londra nampiantranoan'ny Foibem-Politikan'ny Raharaham-bahiny, vondrona mpihevi-draharaha Britanika iray. Miasa miaraka amin'ny mpampianatra ambony, mpikaroka sy mpanao politika aho namoahanay tatitra iray nokendrena hisarihana ny iraisam-pirenena mikasika ny toe-javatra misy ao amin'ny fireneko. Mitondra ny lohateny hoe: Spotlight on Turkmenistan (Ny Zava-misy ao Turkmenistan), manasongadina ny iray amin'ireo fitondrana jadona indrindra sy mpanao kolikoly indrindra manerantany ny tatitra.
Mpanao kolikoly sady tsy miasa araka ny tokony ho izy ireo andrim-panjakana ao Turkmenistan. Vao haingana aho no nitatitra momba ny fonja Tiorkmenina, izay anjakan'ny aretina, ary namolavola rafitra vaovao hakana vola an-keriny amin'ireo gadra ny mpiambina ny fonja mba hahafahan'ny gadra mahazo filàna fototra. Mampihatra fomba fampijaliana tamin'ny vanimpotoana antenantenany eoropeana, sy fampanjavonana ankaterena ny firenena ary mampiseho fa ohatra iray amin'ny fampanaovana asa an-terivozona mandritra ny fijinjana landihazo fanao isan-taona izy.
Nanasongadina ny fahalovan'ny tontolon'ny fihariana anatiny hatrany amin'ny fotony ny tatitra. Ohatra iray amin'ireo tambajotra mpitady tombombarotra izay natao fotsiny mba hiantohana ny fahamarinan-toeran'ny fitondrana ny fampahafantarana nataoko vao haingana momba ny fifanarahana hanaovana fotodrafitrasa mitetina 2,3 miliara dolara nomena ny zaodahin'ny filoham-pirenena. Nanamarika ireo mpandray fitenenana tany Londra fa nikatso ny fampiasam-bola avy any ivelany tato anatin'ny taona vitsivitsy noho ny fandavana tampoka ny fifanarahana sy ny fahazoan-dàlana; mpanjifa marobe tahaka ny orinasan'ny fifandraisa-davitra Rosiana MTS sy ny orinasan'ny fananganana Belarosiana Belgorkhimprom ankehitriny no milahatra hitory ny governemantan'i Turkmenistan .
Tsy maharay vaovao tahaka izany, na avy amin'ny loharanom-baovao eo an-toerana na avy any ivelany ny olom-pirenena tsotra any Turkmenistan. Voaràra ny haino aman-jery vahiny. Tsy mikasika ireo fampahalalam-baovao tandrefana toy ny Reuters, BBC sy ny Deutsche Welle ihany izany, fa tafiditra koa ireo tranonkala amin'ny teny Rosiana (na mpomba an'i Kremlin na mpanohitra azy) anisan'izany ny Meduza, TASS ary Ekho Moskvy. Na dia misy gazety Tiorkmenina maro isan-karazany aza, dia an-kevitra ihany ny tatitra, ary samy midera ny filoha Gurbanguly Berdymukhamedov avokoa.
Nohamafisin'ny fandraràna saika ny media sosialy rehetra ny tsy fahazoana mizara vaovao na tsy fahafahana maneho hatezerana: Voarara avokoa na Instagram, YouTube, Facebook, ary ireo tambajotra sosialy Rosiana Odnoklassniki sy Vkontakte, ankoatra ny hafa. Satria miharatsy ny toe-draharaha any Turkmenistan, dia manamafy ny vahohony amin'izay feo mahaleotena rehetra ny fanjakana.
Saingy na dia ao anatin'ny haizina toy izany aza, dia misy ny tselatselatra fanantenana. Natsangana tsy ho tratran'ny halavan-tanan'ny fitondrana ireo tetikasa natokana hitaterana ny fijalian'ny vahoaka Tiorkmenina isan'andro, toy ny Chronicles of Turkmenistan ao Viena. Ny tranonkala toa itony no hany endrika fampahalalana azo antoka momba ny firenena. Miasa miaraka amin'ny tambajotran'ny Tiorkmenina be herim-po izay mamoaka vaovao an-tsokosoko ivelan'ny firenena amin'ny alàlan'ny rafitra fandefasan-kafatra amin'ny soramiafina ny tranonkalako Turkmen.News. Tena maninan-doza ho an'ny tenan'izy ireo sy ny fianakavian'izy ireo izany. Efa maro ireo mpanao gazety voasambotra tany Turkmenistan na noterena hitsoaka ny firenena tahaka ahy.
Iray amin'ireo mpitati-baovaontsika i Gaspar Matalaev, izay manaramaso ny fampiasana ny asa an-terivozona mandritra ny fijinjana landihazo. Tamin'ny taona 2016, nosamborina izy noho ny fiampangana fitaka ho manao hosoka sy kolikoly ary nigadra telo taona an-tranomaizina. Navotsotra ihany izy tamin'ny 6 septambra 2019 rehefa nahavita ny saziny an-tranomaizina. Mpanao gazety iray hafa, Saparmamed Nepeskuliev kosa voasazy higadra telo taona an-tranomaizina tamin'ny taona 2015 noho izy voalaza fa nihazona zavatra tsy ara-dalàna. Samy nahazo fanohanana avy amin'ny vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona sy vondron'asan'ny Firenena Mikambana i Matalaev sy Nepeskuliev. Taorian'ny famotsorana azy tamin'ny volana Mey 2018, nandao tanteraka an'i Turkmenistan i Nepeskuliev tamin'ny volana martsa tamin'ity taona ity.

Mpanao gazety Tiorkmenina Gaspar Matalaev (ankavia) sy Saparmamed Nepeskuliev (ankavanana), samy navotsotra tamin'ity taona ity rehefa avy nigadra nandritra ny fotoana lavabe. Sary avy amin'ny Turkmen.News. Nahazoana alalana.
Saingy mbola mihiboka any am-ponja ny hafa, zara raha mahazo vaovao momba ny fahasalamana na ny misy ny havany ny fianakavian'ireo gadra. Nanaramaso fanjavonana miisa 121 teo anivon'ny rafitry ny fonja ao Turkmenistan ny hetsika Prove They Are Alive, na dia azo antoka aza fa mbola ambony noho izany no tena isa marina. Nogadraina nandritra ny 10 taona mahery ny gadra politika iray, Gulgeldi Annaniyazov, zara raha nahazo vaovao mikasika ny tena momba azy ny fianakaviany tamin'izany fotoana izany.
Manohintohina ny asako amin'ny maha-tonian-dahatsoratra ahy ny hamafin'ny loza aterak'izany. Satria mampiasa teknika fanarahamaso avo lenta ny fanjakana Turkmenistan mba hanaraha-maso ny mponina ao aminy, mampidi-doza ny mamoaka votoaty izay mety ho voatsongo dia amin'ny fotoana na toerana voafaritra manokana ary mety hamantarana ny loharanom-baovao. Mandray ny andraikitray am-pahamatorana amin'ny asa fanoratan-gazety izahay na dia mametra ny fahafahanay hitatitra vaovao “malaza” ara-potoana aza izany.
Na dia toa tsy taitra momba ny lazany iraisam-pirenena aza ny fitondrana Tiorkmenina, dia miankina amin'ny fiarahamiasa sy ny varotra miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminy any ivelany ny fitonian'ity firenena voahidy ity. Ary raha mitodika ao amin'ny firenena ny sain'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena, dia hanjavona ny fahatokisan'ireo mpiara-miombon'antoka na ireo mety ho mpamatsy vola ireo. Ny fifantohana bebe kokoa amin'ny vondrom-piarahamonina mpihary iraisampirenena amin'ny fombam-pihariana manaja etika sy lovainjafy no midika fa tena zava-dehibe tsy misy toy izany ny famoahan-taratasy sy boky toy ny tatitra avoakanay.
Manome antoka ireo mpitati-baovao izay maninan-doza ny fahafahany isaky ny mandefa sombim-baovao fa tsy misy vondron'orinasa na fanjakana miara-miasa amin'i Turkmenistan ka milaza fa tsy mahalala ny toetran'ny fitondrana ao Ashgabat.
Ny lanonan'ny Foreign Policy Centre (Foiben'ny Politikan-dRaharaham-bahiny) no sehatra tonga lafatra ho an'ny olona mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpanao politika hitakiana ny fanombanana indray ny politikan'ny governemanta Britanika manoloana an'i Turkmenistan. Satria manamafy ny fifatorana ny fitondrana, dia mangataka izahay mba hanitarina izany politika izany lavidavitra kokoa any amin'ny varotra sy ny sampan'ny indostria manerana ny vondrona Eoropeana sy ny fianakaviambe iraisampirenena, ary ireo rehetra mikasa hiara-hiasa amin'ny governemanta izay manenjika ny olom-pireneny sy mamitaka ireo mpamatsy vola azy.
Satria manery an'i Turkmenistan izahay mba hikolokolo ny endriny, dia hanery azy ireo hanova ny fitondrantenan'izy ireo izahay. Ity fitomboan'ny fifantohana ity no manome antsika sehatra iray hitakiana ny kalitaon'ny fiainana mendrika ho azon'ny Tiorkmenina rehetra.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...