Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2016
Nobahanana Nandritra Ny Androm-pifidianana Ny WhatsApp sy Viber Tao Montenegro

Voaloton'ny fiampangana tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana parlemantera tao Montenegro tamin'ny 16 Oktobra 2016, hoy ny tatitra tamin'ny tambajotra sosialy, ary voaràra nandritra ny fotoana tsy dia maharitra ny WhatsApp, Viber sy ny fampiharana fandefasan-kavara sahala amin'izany.
Mahatonga Ny Zazavavy Ho Marefo Manoloana Ny Fanararaotana Ny Lalàna Sy Ny Toe-tsain'ny Fiarahamonina Ao Myanmar
Manasongadina ny tsy fisian'ny fiarovana avy amin'ny governemanta manoloana ireo lasibatry ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Myanmar ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tovovavy tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana anatiny ao amin'ny fanjakana Kachin, Myanmar.
Ny ‘Mpitsikilom-Bahiny’ Ihany No Mizara Tantaran'ny Fotoana Mahafinaritra Ao Etazonia, Hoy Ny Fitsarana Rosiana

Nanatevin-daharana ny lisitr'ireo fikambanana 146 notondroin'ny Minisitry ny Fitsarana toy ny "mpiasam-bahiny" ny Klioban'ny Maintimolaly Amerikana. Ny heloky ny fikambanana? Nampita lahatsoratra indray tao amin'ny media sosialy.
Voalaza Fa Nobahanana Ny WhatsApp Tao Yemen, “Olana Ara-teknika” Hoy Ireo Mpandraharaha Finday.

Nitosaka ny fanivànana vontoaty an-tserasera tao Yemen hatramin'ny nanombohan'ny ady ifanaovana'ny Houthi mpihoko sy ny tafika tsy mivadika amin'ny filoha Abdrabbuh Mansour Hadi.
Tombouctou : “Ny Tsangambato No Omena Rariny, Fa Tsy Ny Vehivavy Voaolana”
Marihan'i Georges, maliana mpanoratra bialogy, fa ireo trangambato nosimbàn'ny jihadista no nomena rariny, fa tsy ireo vehivavy voaolana.
Sarimiaina Manazava Ny Fahefan'ny Fitsarana Afrikana Amin'ny Zon'ny Vahoaka sy ny Olombelona
Tsy mahafantatra izay zavatra ataon'ny fitsarana? Mety manampy ity lahatsary ity.
Mila Rariny Izy: Ny Herinandro Niaraka Tamin'ny Podcast an'i Global Voices
Tamin'ity herinandro ity, ampahafantarinay anareo ireo vehivavy mitady sy manatanteraka ny rariny ao Polonina, Orogay, Rosia sy Syria.
Tsiaro An’ i Biljana Garvanlieva, Makedoniana Mpamokatra Sarimihetsika Nanome Fitenenana Ho An'Ireo Vehivavy Voahilikilika
"Ny handrava ny fiheverana ny vehivavy misy eto Makedonia no antony manosika ahy amin'ny maha-mpanoratra fanadihadiana ahy "
Mpiaro Ny Tontolo Iainana Iray Hafa Maty Nisy Namono Tao Amazônia
Mpamono olona anankiroa, nitaingina môtô, no namono nahafaty an'i Luís Alberto Araújo, 54 taona, Sekreteran'ny Tontolo Iainana ao Altamira, fanjakan'i Pará tamin'ny alakamisy 13 oktobra lasa teo.
Olom-pirenena Hong Kong Maneho Ny Hatezeran'izy Ireo Noho Ny Fanakanana Azy Ireo Tsy Hiditra Ao Makaô
Tapa-bolana talohan'ny ny fitsidihan'ny praiminisitra Shinoa, Li Keqiang, nikorontana ny fanaraha-maso tao amin'ny sisintanin'i Makaô. Olom-pirenena am-polony mahery avy any Hong Kong no tsy navelan'ny fifindramonina Makaô niditra tao noho ny filazana fa loza mitatao ho an'ny fiarovana ny tanàna izy ireo.