Namokatra sarimiaina YouTube momba ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'ny Vahoaka sy ny Olombelona ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana, Siansa sy ny Kolontsaina (UNESCO), ny Orinasa Federaly Alemaina mankamin'ny Fiarahamiasa Iraisampirenena ary ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Britanika Andininy faha-19.
Miorina ao Arusha, Tanzania, fitsarana kaontinantaly napetraky ny firenena Afrikana ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'ny Vahoaka sy ny Olombelona mba hiantoka ny fiarovana ny zo ao Afrika. Mameno ny Vaomiera Afrikana misahana ny Zon'ny Olombelona sy ny Vahoaka ny Fitsarana. Raha manome tolo-kevitra fotsiny ny Vaomiera Afrikana, tsy maintsy ilaina kosa ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana.
Natsangana teo ambanin'ny Arofenitry ny Sata Afrikana momba ny Zon'ny Olombelona sy ny Vahoaka ao amin'ny Toeran'ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'ny Olombelona sy ny Vahoaka ny fitsarana. Araka ny hita amin'ny lahatsary, raha ny tamin'ny Septambra 2016, firenena 30 ihany no nanasonia ny Arofenitra.
Milaza ny lahatsary fa efa nandray fanapahan-kevitra roa lehibe momba ny fahalalahana miteny any Afrika ny Fitsarana. Tamin'ny 2014, nanapa-kevitra ny Fitsarana fa manitsakitsaka ny fahalalahana maneho hevitra ny fampidirana am-ponja noho ny fanalam-baraka. Tamin'io taona io ihany, nanome baiko ny fisokafan'ny fanadihadiana indray momba ny famonoana an'i Norbert Zongo, Burkinabe mpanao gazety mpanao fanadihadiana sady mpamoaka lahatsoratra ny Fitsarana.
Venezoeliana antsoina hoe Juan Carlos Hernández Ramirez no mpanakanto nanatontosa ny sarimiaina.