Mila Rariny Izy: Ny Herinandro Niaraka Tamin'ny Podcast an'i Global Voices

Mitopy kely amin'ny sasany amin'ireo tantara nivoaka vao haingana tao amin'ny tranombaovaon'ny Global Voices ny Herinandro Niaraka Tamin'ny Podcast an'ny Global Voices. Tamin'ity herinandro ity, atolotray anareo ireo vehivavy mitady na manatanteraka ny rariny ao Polonina, Orogoay, Rosia sy Syria.

Fisaorana be dia be ho an'i Kasia OdrozekFernanda CanofreIsaac Webb, Marcell Shehwaro sy Lara AlMalakeh ary ireo rehetra mpanoratra ato aminay, mpandika teny ary mpamoaka lahatsoratra izay nanampy hahatonga ity fizaràna ity ho tanteraka.

Anatin'ity fizaràna  ity, nasongadinay ny mozika nampiasàna lisansa Creative Commons avy any amin'ny Tahirina Hira Maimaimpoana, ahitana ny Please Listen Carefully an'i Jahzaar; Mario Bava Sleeps In a Little Later Than He Expected To an'i Chris Zabriskie; City Night Line an'iy Cobra (misy fango pantera); Clover an'i Little Glass Men; Vintage Frames an'i Kai Engel; ary Am I The Devil (feon-javamaneno) an'i YEYEY.

Ny sary misongadina ato amin'ity tantara ity dia sarin'ireo vehivavy sy lehilahy miakanjo mainty toy ny mariky ny fanoherana ao amin'ny #FanoheranaMainty tao Berlin. Sary avy amin'i Kasia Odrozek, CC BY.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.