Olom-pirenena Hong Kong Maneho Ny Hatezeran'izy Ireo Noho Ny Fanakanana Azy Ireo Tsy Hiditra Ao Makaô

Maromaro ireo mpikatroka nihitsoka tsy afaka niditra tao Makaô tamin'ny 10 Oktobra. Sary avy amin'ny Long Hair Facebook.
Namarana ny fitsidihana telo andro nataony an'i Makaô ihany ny praiministra Shinoa Li Keqiang.
Tapa-bolana talohan'ny fitsidihany, nikorontana ny fanaraha-maso ny sisintanin'i Makaô. Olom-pirenena am-polony mahery avy any Hong Kong no tsy navelan'ny fifindramonina Makaô niditra tao noho ny filazana fa loza mitatao ho an'ny fiarovana ny tanàna izy ireo. Nahitàna mpamokatra sarimihetsika tsy miankina, mpikatroka LGBT ary koa mpanoratra momba ny fitetezam-pirenena tamin'ireo olom-pirenena ireo, izay nitarika ny maro hanontany raha manana lisitra mainty marobe nozarainy tamin'ny manampahefana Makaô sy ny manampahefana Shinoa ny governemantan'i Hong Kong.
Fari-pitantanana manokana ao Shina i Makaô sy Hong Kong, saingy mbola tsy anisan'ny tanibe Shina. Manana distrika, sisintany, governemanta, vola, polisy, ary koa fiteny manokana izy ireo.
Tonga tao Makaô niaraka tamin'ny mpitarika marobe avy amin'ny firenena miteny Portiogey ao Afrika sy Amerika Atsimo ny praiminisitra Li Keqiang mba hamonjy fihaonambe ara-barotra avo lenta izay mikendry hamolavola drafitra vaovao ho an'ity tanàna casino manankarena ara-bola eo amin'izao tontolo izao ity. Mpikatroka ny sivy tamin'ireo olom-pirenena Hong Kong tafahitsoka izay nikasa hanao fihetsiketsehana nandritra ny fitsidihan'ny Praiminisitra Shinoa ho fanoherana ny rafi-pifidianana teren'ny Shinoa ho an'i Hong Kong. Na dia efa mahazatra aza ny mahita mpanao fihetsiketsehana mihitsoka ao amin'ny sisin-tany alohan'ny hetsika nomanina, tsy navela hiditra tao Makaô kosa ny sasany tamin'ireo olom-pirenena Hong Kong satria mpikatroka taloha na mpikambana voasoratra anarana amin'ny vondrona mpianatra. Nizara ny tantarany tao amin'ny Facebook ny maro tamin'izy ireo.
Gaga i Fred Lam, mpanoratra boky momba ny fitetezam-pirenena, ary mavitrika ara-politika tamin'ny fiarovana ny hetsika tamin'ny 2008 raha nahita fa voampanga ho mandrahona ny fiarovana ny sisintanin'i Makaô izy tamin'ny 5 Oktobra. Nasain'ny sekoly iray hoavy ao Makaô izy mba hiresaka momba ny diany.
Voasakana tsy hiditra ao Makaô ihany koa i Roddy Shaw, mpikatroka LGBT tamin'ny Oktobra. Miahiahy izy sao misy fiantraikany amin'ny fidirany ao Shina sy ny firenena Aziatika hafa ilay marika ara-politika:
同 Lam Fai Fred 命運一樣 冇得入澳門境 其他同樣遭遇的人可否入境泰國或大陸?我短期內要飛此兩地,求幫忙!
Miaina ny manjò an'i Lam Fan Fred aho ary tsy afaka niditra ao Makaô. Manontany tena aho raha misy olona niaina tahaka izany kanefa nahazo niditra ny tanibe Shina sy Thailandy? Tsy maintsy hisidina any amin'ireo firenena roa ireo aho atsy ho atsy, mila toro-hevitra azafady!
Tamin'ny herinandro lasa, notanan'ny manampahefan'ny fifindramonin'i Thailandy nandritra ny ora vitsivitsy ilay mpikatroka mpianatra avy ao Hong Kong, Joshua Wong, ary nalefa sesitany nony farany. Nanazava ny manam-pahefanan'i Thailandy fa noho ny fangatahan'i Beijing no anton'ny fanapahan-kevitr'izy ireo.
Niatrika toe-javatra tahaka izany tamin'ny 5 Oktobra ihany koa ilay mpamokatra sarimihetsika tsy miankina Siuyea Lo izay mpivezivezy matetika ao Makaô. Nanoratra ny fandehan-javatra tao amin'ny Facebook izy:
今天應澳門朋友之邀過去帶短片工作坊 […] 上船前看到林輝入境被拒,心諗這幾年來往澳門數十次,演過《無花果》和《七月燒衣》,亦探過朋友買過手信,應該無野卦,頂多如上次般被扣查一會然後放行。
我大概掌握流程是如何發生,e-道不讓我通過,職員帶我進房填份表問幾句,坐一陣,放行入境。不過今次只估中個開頭,填完表好快就被帶往一條狹小走廊,再填一表,坐一陣,警察著我簽下此書。我錯愕都來不切,已有幾人相繼岀來著我動身,早走早著。
「對過張相,係佢黎架喇」,一個警察一個海關送到上船,一往無前急步而行,務求盡快抵壘,以防意外走甩,藍衣警察跟白衣海關説「今日行到腳都攰」,怕且佢今日都行左幾廿次 。
Nasain'ireo namana avy ao Makaô aho androany mba hanatontosa atrikasa momba ny horonantsari-mihetsika[…] nahita aho fa voasakana tsy hiditra ao i Fred Lam saingy mbola tsy nino aho fa mety ho tratran'ny toe-javatra tahaka izany koa. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nankany Makaô efa ho im-polo aho amin'ny maha mpilalao sarimihetsika ahy amin'ny filma roa, Fig sy A Summer Ghost Stories. Matetika koa aho mitsidika namana ao, ary tsy tokony hanana olana. Ny fakàna am-bavany no mety ho ratsy indrindra.
Haiko ny fizotran-javatra. Tsy navelan'ny toeram-pisavana e-channel handalo aho ary nitondra ahy tany amin'ny efitra ny manampahefan'ny fifindramonina mba hameno aratasy sy hamaly fanontaniana tsotra sasantsany. Tokony hamela ahy hiditra izy ireo amin'ny farany. Saingy diso anefa aho, nentina tany an-dalatsara aho mba hameno taratasy iray hafa. Avy eo nasaina nanasonia taratasy [filazana fandroahana]. Tohina aho. Nangataka ahy foana izy ireo mba handray ny sambo manaraka hiverina any Hong Kong. “Namariniko fanindroany ny sary, fa tena izy tokoa, niresaka ny polisy iray sy manampahefan'ny fifindramonina raha teo am-panaterana ahy hijery toerana. Nilaza tamin'ilay manampahefan'ny fifindramonina ilay polisy hoe, “reraka ny tongotro nivezivezy tetsy sy teroa androany”, angamba efa nanatitra olona am-polony mahery voaraoka izy.
Tafahitsoka tao amin'ny sisintany ihany koa tamin'ny 8 Oktobra i Roy Tam, mpanolo-tsainan'ny distrika sady mpanohana ny demokrasia. Nikasa hanao fitetezam-paritra ao Makaô izy ny fianakaviany.
Voasakana tsy hiditra ao Makaô tao amin'ny toeram-pisavana fifindramonina Makaô sy Zhuhai tamin'ny 10 Oktobra ihany koa i Derek Liu, mpikambana ao amin'ny komitin'ny Sendikan'ny Mpianatra ao amin'ny Oniversite Politeknika, izay vao nitsidika an'i Shina. Nalefa sesitany tany Zhuhai izy nony farany. Mampiseho ny zava-misy fa mbola henjana koka noho ny fifindramonin'i Shina Tanibe ny fanaraha-mason'ny fifindra-monina Makaô nandritra ny fitsidihan'i Li Keqiang. Nitatitra ny toe-draharaha tao amin'ny Facebook i Liu:
我唔明,我雖然身為一個學生會嘅社團註冊人,但身家清白。就係要因為大陸領導人要訪澳而唔俾我入境,旅行啫,咁都可以對你內部穩定構成威脅?
話說我今個星期六跟住屋企人去珠海澳門兩天遊,本身都仲驚緊入唔到大陸,但都最後無穿無爛無檢查下都返到上去玩。好啦玩完珠海就差唔多係時候過澳門玩埋呢一日佢,點知我就係喺呢個時候被拒絕入境澳門。到底澳門要為左媚共可以去到幾盡?無錯呀連大陸都俾我入嗰時,我都唔知澳門憑咩唔俾我入。
Tsy azoko. Mpikambana voasoratra anarana ao amin'ny sendikan'ny mpianatra fotsiny aho ary madio ny firaketana an-tsoratra momba ny fiainako manontolo. Ankehitriny aho voasakana tsy hiditra ao Makaô noho ny fitsidihan'ny mpitarika Shinoa. Mpizaha tany fotsiny aho ary milaza ianareo fa loza mitatao ho an'ny fiarovana anatiny aho?
Toy izao no fandehan'ny tantara: nikarakara dia tany Zhuhai sy Makaô nandritra ny faran'ny herinandro ny fianakaviako. Somary niahiahy aho fa mety hiatrika olana amin'ny fifindramonina any Shina Tanibe. Saingy nanavatsava ny fifindramonina fotsiny aho. Ny ampitso, notohizanay ny dianay tao Makaô saingy voasakana tsy hiditra ao aho. Mahafoy ny fahefany i Makaô mba hampifaly ny Antoko Komonista Shinoa. Tena mahatsikaiky fa afaka miditra ny tanibe Shina aho fa tsy afaka miditra ao Makaô.
Nohadihadiana ihany koa ireo mpizaha-tany
Tsy voafetra ho an'ny olom-pirenena Hong Kong ihany ny fankahalan'ny fifindramonina Makaô, fa voakasika ihany koa ny mpizaha tany avy amin'ny faritra “ratsy fiarovana”. Raha niditra tao Makaô ilay Miss Iran Melissa Razavi, izay vao avy nanatrika ny fifaninanana hatsaran-tarehy Manerantany Miss Global 2016 tany Filipina, notazonina nandritra ny adiny roa mahery tao amin'ny fifindramonina Makaô izy ary nangatahana mba hanasonia antontan-taratasy hahafahan'ny manampahefana hijery ny findainy sy ny entany. Nitaraina tany amin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana izy fa noraisina toy ny mpampihorohoro. Mpizaha tany maromaro avy any India ihany koa no nalaina am-bavany nandritra ny adiny telo mahery ary nofaritan-dry zareo ho “manala-baraka” sy “manavakavaka” ny fisavana an-tsisintany.
Nitranga tamin'ny Desambra 2014 nandritra ny fitsidihan'ny Filoha Shinoa Xi Jinping tao Makaô ihany koa ny fepetra fanaraha-maso ny sisintany tahaka izany. Maro ireo olom-pirenen'i Hong Kong izay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana mpomba ny demokrasia ho amin'ny fifidianana no tsy navela niditra tao amin'ny fifindra-onina Makaô. [Fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra, voasakana tsy hiditra tao Makaô ihany koa ny mpanoratra ity lahatsoratra ity tamin'ny volana Desambra 2014 .]
Lisitra mainty manerana ny sisintany?
Nahatonga ny maro hanontany ny zava-misy raha manana lisitra mainty marobe ny governemantan'i Hong Kong, izay nozarainy tamin'ny manampahefana ao Makaô sy Shina. Araka ny fanehoan-kevitr'i Roddy Shaw tamin'ny fandroahana azy, misy ny ahiahy fa mety ampiasaina hamelezana ireo mpikatrok'i Hong Kong ao amin'ireo firenena mpanohana an'i Beijing tahaka an'i Thailandy sy i Malayzia ny lisitra mainty. Nosakanan'ireo firenena roa tonta ireo tsy hiditra ao aminy ny mpianatra mpikatroka avy ao Hong Kong noho ny tahotra fa mety hampahatezitra an'i Beijing ny fitsidihany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...