Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2016
Ethiopia Latsaka An-Katerena : ‘Pikantsary Farany Ho An'ny Fitondrana Tsy Refesimandidy Mahery Setra'?
Fantatsika rehetra ny dikan'ny hoe #Hamehana, Tandindonin-doza mitatao ireo ahiahiana mahazatra (ny namana sy mpikatroka fantatsika).
Tsy Mbola Vita Ny “Hetsika Mainty” Fa Mivoaka Ny Volavolan-dalàna Vaovao Iadiana Amin'ny Fanalan-jaza Ao Polonina
"Manantena Fihetsiketsehana Mainty iray hafa aho ho fanoherana ny fanambarana feno habibiana avy amin'i Kaczyński izay te hanangana afobe. Fihetsiketsehana iray hanoherana azy."
Isan-taona, Mamono Olona An-jatony i Iràna Amin'ny Ady Amin'ny Rongony Ataony Izay Vatsian'ny Firenena Mikambana Vola
Matetika dia olona voahilikilika ao anatin'ny fiarahamonina Iraniana ireo vonoina ho faty. Tafiditra amin'izany ireo mpifindra monina tsy voarakitra sy ireo mpitsoa-ponenana avy any Afghanistan mpifanila vodirindrina, ary ny foko sy fivavahana vitsy an'isa izay miatrika tsy fahafahana migoka ny zony any Iràna.
Zavatra 9 Itiavana an'i Afghanistan
Amin'ny mofo tsara indrindra eto ambonin'ny tany, ny voatavo sy ny ampongabendanitra, sy ireo mponina isan-karazany tia mandray vahiny, dia inona izany no tsy metimety ao amin-dry zareo ireo?
Jamba, Manambady, ary Misara-panambadiana: Tantaran-Jazavavy Telo Ao India Amin'ny Andro Maoderina
Manamarika ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Zazavavy ny 11 Oktobra, izay manazava ny olana misy fiantraikany eo amin'ny zatovovavy manerana an'izao tontolo izao. Misy tantara vitsivitsy ireto notaterin'ny Video Volunteers, mampiseho ny fomba ataon'ireo ankizivavy ao India rehefa miatrika sy miady amin'ny olana isan-karazany mifandraika amin'ny lahy sy ny vavy.
Nakaton'ny Manampahefana Etiopiana Ny Tolotra Aterineto Finday sy ny Tranonkala Media Sosialy Lehibe

Manahy ireo manaraka akaiky ny toe-draharaha fa mety fanombohan'ny dingana vaovao mampidi-doza izao (fanakatonana ny tolotra aterineto finday) izao taorian'ny herintaonan'ny fihetsiketsehana.
Fanafihana An-habakabaka Nataon'ny Vondron-kery Tarihan'i Arabia Saodita, Namono Farafahakeliny Olona 140 tany Yemen, Nandratra An-jatony Mahery
Fanafihana an-habakabaka nataon'ny vondron-kery tarihan' i Arabia Saodita, nikendry fiandrasam-paty ary namela olona maty farafahakeliny 140, mahatonga io ho fandripahana tokana lehibe indrindra hatramin'ny nanombohan'ny ady an-tranon'i Yemen ny taona 2015.
Manao Volavolan-dalàna Vaovao Amin'ny Fandrahonana Atao Amin'ny Alàlan'ny Aterineto i Indonezia, Fa Milaza Kosa Ireo Mpikatroka Fa Izy Ireo No Kendrena Amin'izany

"Ampiasaina sahala amin'ny fitaovana mahomby hanaparitahana tahotra amin'ireo feo te-hiampànga ny tsy rariny eo amin'ity firenena ity ilay lalànan'ny Aterineto."
Tsara Vintana Aho Manana Pasipaoro Siriana

"Hitanao ho toy ny sarotsarotiny ve aho? Mety hoe satria tsy azoko mihitsy hoe iza no hamaly “Eny” amin'ny fanontaniana hoe: “Mpikambana amin'ny fikambanana miafina voarara ve ianao?'"
Folo Taona Izay, Fa Mbola Tsaroan'i Rosia Hatrany I Anna Politkovskaya, Mpanao Gazety Nisy Namono

Ny 7 Oktobra, tsaroan'ireo Rosiana i Anna Politkovskaya, iray amin'ireo mpanao gazety sangany amin'ny resaka fanadihadiana, maty nisy nitifitra tao anaty fanakadrihan'ny tranony, folo taona lasa izay.