Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2013
GV Face: Fahatakarana Ny #RussiaVotes 2013 Iarahana amin'i Kevin Rothrock Sy i Andrey Tselikov
Niresadresaka mivantana momba ny tohin'ny #RussiaVotes tamin'ny 13 Septambra 2013 ary nilazalaza ihany koa ny fahitàny ny tontolon'ny media rosianina tia mihantsy sy mampihomehy matetika ny tonian'ny [akon'ny] RuNet avy ato aminay Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov.
Ejypta – “Toerana Mampidi-doza Ho An'ireo Mpanao Gazety”
Nandao an'i Ejypta ilay Ejypsiana bilaogera sady mpanao gazety Abdulmonem Mahmood, nilaza izy fa manahy ny amin'ny ainy.
Lehilahy Namoy Ny Ainy, Manohy Manao Haza Lambo Ireo Olona “Karohinaa” 23 Ao Awwamiya i Arabia Saodita
Namoy ny ainy i Ahmad Al-Mislab, 19 taona, raha nanafika tao Awwamiya ny mpitandro ny filaminana, hitady ireo olona valo amin'ireo 23 "tadiavin'"ny manampahefana.
Indiana Mpiambina Sisintany Afaka Madiodio Tamin'ny Fitifirana Tovovavy Avy Ao Bangladesh
Niparitaka nandritra ny fotoana nitrangàn'ny loza ireo sary misy ny vatany rotidrotiky ny fefy tariby. Niteraka fanehoa-kevitra maro feno fahatezerana tao Bangladesh ny didy navoakan'ny fitsarana, indrindra tao amin'ny media sosialy.
Handràra Ny Fizaram-baovao Antserasera Ve Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Aterineto Ao Vietnam?
Nilaza ny governemanta fa ny hiarovana ny zon'ny mpamorona no tanjon'ny lalàna saingy namaritra kosa ny tsikera fa "famelezana henjana indrindra atao amin'ny fahalalahan'ny vaovao izany”
‘Tsy Averina Intsony Mandrakizay': Tamberin'ny Shiliana Momba Ny Fanonganam-Panjakana, 40 Taona Izay
Efapolo taona androany [11 septambra] ny nanonganana ara-panjakana ny filoha sosialista Shiliana Salvador Allende sy fanombohan'ny fotoana lava dia lava maharitra 17 taonan'ny fitondrana jadona miaramila notarihan'i Augusto Pinochet.
Kolombia : Manomboka Fitokonana Nasionaly Ny Mpampianatra
Nanomboka [es] fitokonana nasionaly mba hitakiana drafitra ara-pahasalamana mendrika kokoa , ny famaranana ny "politikan'ny fisintahan'ny fanjakana " amin'ny fampianarana ary ireo olana hafa ny mpampianatra avy amin'ny Federasionan'ny Mpanabe Kolombiana FECODE.
Mitaky Ny Fahaleovantenany Ny Katalàna Maneran-Tany
Fifampitantanana no nankalazan'ny vondrom-piaraha-monina Katalana era-tany mba hitakiany ny fahaleovantenany amin'i Espaina.
Rehefa Tafara-Dia ny Mpanao Asa Soa Sy Ny Tele Realite
Italianina maro sahady no efa manomboka mitsikera sahady ny fandaharana volana maro mialoha ny handehanany.
Kiobà Mandoko Mavo Ho Fanohanana Ireo Gadra “Los Cinco” Any Etazonia
15 taona izay no nisamborana ireo Kiobàna dimy izay niditra tao amin'ireo vondrona mpanohitra an'i Castro tao Miami. Nisy ny fanentanana vaovao hitakiana ny famotsorana ireo efatra sisa mbola voafonja.