Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mitaky Ny Fahaleovantenany Ny Katalàna Maneran-Tany

Teo anivon'ny fiomanana amin'ny fetim-pireneny, 11 Septambra 2013, dia nankalaza izany tamin'ny alàlan'ny fifampitantànana ny vondrom-piarahamonina Katalàna maneran-tany mba hitakiana ny fahaleovantena amin'i Espaina.

Ny 11 Septambra dia ao Via Catalan (Làlan'i Katalàna) no anaovana ny fankalazana izay ahitàna olona mifampitantana mitandavana amin'ny moron-dranomasin'i Katalonia ( Faritra avaratra atsinanan'i Espaina), izay heverina ho ny filaharana lava indrindra  natao tany amin'ny Fiombonambe Eoropeana hatramin'izay. Ny fiarahamonim-pirenena Catalan National Assembly (CNA) Antenimieram-pirenena Katalàna no nikarakara ny fifampitantanana, entiny hampisehoana ny fitombon'ny olona manohana ny safidy ho amin'ny fahaleovantena ary hanerena ny governemantam-paritra hanomboka ny dingana fifampiraharahana amin'ny governemanta Espaniola.

Screenshot of the website collecting all posts and pictures that will be shared on social media during the human chain celebrated in Catalonia.

Dikasarin'ny tranonkala manangona ireo lahatsoratra sy ny sary rehetra izay hozarain'ny haino aman-jery sosialy mandritra ny fifampitantanana ny olona hankalazaina any Katalonia.

Olona maherin'ny 400.000 izay nandefa fanehan-kevitra, sary sy lahatsary momba ny Làlan'i Katalàna no azo arahana amin'ny alàlan'ity tranonkala ity ary ny tenifototra  #11s2013 sy #viacatalana.

Katalàna an'hetsiny teo amin'ny tantaran'ilay faritra no nidina an-dàlam-be tany Bercelone tamin'ny 11 Septambra 2012 namonjy ny fihaonam-ben'ny mpomba ny fahazahoana ny fahaleovantena, izay nokarakarain'ny CNA. Vokatr'izany dia nanapa-kevitra ny fitondrana miara-mitantana Convergència i Unió (CiU), entin'ny hery havanana sy ny afovoany, fa haroso amin'ny 25 Novambra 2012 ny fifidianana eny anivon'ny faritra. Tafakatra 70% ny sala-pahavitrihina, izay ny ambony indrindra tato anatin'ny 30 taona, ary ireo antoko politika efatra izay nanao ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fizakàn-tena (CiU-ERC-ICV-CUP) dia nahazo seza avo roa heny miohatra amin'ireo mpomba ny fihazohazoana (PSC-PP-C). Raha fintinina izany dia fahavoazana tanteraka ny an'ireo antoko roa lehibe tao Katalonia – ny mpiara-mitantana afovoany sy ankavanana ny CiU sy ny PSC sosialista.

Hanehoany ny fanohananay sy ho famporisihina amin'ny fandraisana anjara dia nikarakara fifampitantanana tany amin'ny tanàna maro samy hafa ny fiarahamonim-pirenena Katalàna. Ireto ambany ireto misy angon-tsary sy lahatsary vitsivitsy..

 

Mifanomeza tànana. #ViaWDC #ViaCatalanaMon #inforac1 pic.twitter.com/eYUQtSMXLS

— Gustau Alegret (@GustauAlegret)  4 Septembra 2013.

Olona maherin'ny 50, fahombiazana ny fifampitantanana tany Prague!

Ooooayy! Tena mahafinaritra be! 300 no nifandray tànana tao afovoan'i Frantsa #viacatalanamon http://t.co/jBEjQ9Oc52 pic.twitter.com/hmjvLNHvTO

Mihira ny hiram-pirenena ireo Katalàna ary mangataka ny fahaleovantenany amin'i Espaina any New York: http://t.co/RW5ZuLGtW8 via @YouTube

— Adrià Alsina (@AdriaAlsina) 1 Septambra 2013

Lahatsary (tsy nalefa) misy ny fifandraisan-tànana tany amin'ny Rindrimben'i Shina omaly

Eduard: “Lasa adala ny Katalàna maneran-tany” Iluc: “Mba marina mafy. Ampolony maro ireo mpitaky fahaleovantena no tany amin'ny rindrimben'i Shina.”

Fifandraisan-tànana tany Buenos Aires! # viacatalanamon olona maherin'ny 250 tao amin'ny Kianjan'ny Kaongresy! Fatratra

— Berta (@bertags) 25 Aogositra 2013

Feno fireharehana aho !!

!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.