Lehilahy Namoy Ny Ainy, Manohy Manao Haza Lambo Ireo Olona “Karohinaa” 23 Ao Awwamiya i Arabia Saodita
Tamin'ny 5 Septambra, nanafika tao Awwamiya, ao amin'ny faritra Atsinanana ireo mpitandro ny filaminana Saodiana, niaraka tamin'ny fiara mifono vy izy ireo nikasa hisambotra ireo mpikatroka ao amin'ny lisitr'ireo olona 23 “karohina”. Notafihan'ny mpitandro ny filaminana narahana tifitra vary raraka ny tranon'i Fadhel Al-Safwani, Muntadhir Al-Subaiti sy Mohammed Al-Labbad. Tsy nisy tratra anefa izy telo – tamin'ireo mpikatroka valo sisa “nokarohina”. Saingy noho ny tifitra vary raraka, nisy nisy ireo olona naratra ary niharan'ny fampijaliana i Ahmad Ali Al-Mislab, 19 taona. Nitatitra ireo mpisera Twitter avy ao Awwamiya fa nihazakazaka hamonjy ny trano teo akaiky i Ahmad raha nahare antso vonjy. Nifanehatra tamin'ireo miaramila anefa izy ka niezaka nitsoaka, saingy voatifitra teo amin'ny tongony sy ny lamosiny. Tanora roa no nitondra azy nody tany an-tranony, ary niala aina teo an-tanan-drainy izy. Nanambara tao amin'ny Reuters ny mpitondratenin'ny Sampan'ny polisy ao amin'ny Faritra Atsinanana fa nomen'ny dadan'i Al-Mislab tsiny ireo mpitondra moto sendra nandalo nitondra ny fatin'i Al-Mislab nody tany an-trano , filazana izay nolavin'ilay raim-pianakaviana. Namoaka fanambarana an-tsoratra sy lahatsary ity raim-pianakaviana ity izay milaza fa ireo mpitandro ny filaminana sy ny Sampan'ny polisy ao amin'ny Faritra Tatsinanana no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ny zanany lahy ary mitaky ny marina sy fitsarana ho an'ireo olona tafiditra amin'izany raharaha izany izy.
Ahmed Mshikhs nanontany hoe [ar]:
كانت #العوامية محاصرة بالمدرعات فكيف تجرأ ملثمان على دراجة نارية التجول اصلاً ونحن نعرف بأن ضوء اخضر لاستهداف كل الدراجات #الشهيد_أحمد_مصلاب
— ahmed Mshikhs (@mshikhs) September 5, 2013
Nohodidininà fiara mifono vy i Awwamiya. Ahoana ny fomba hahasahian'ireo lehilahy misaron-tava mitondra moto handeha toera-kafa raha toa ka fantatsika rehetra fa manana fahafahana hitifitra izay moto rehetra ny [mpitandro ny filaminana]?
Mpikatroka sasany, tahaka an'i Mohammed Al-Nimer, nahita ity fanafihana ity ho fomba hoentina hampihorohoroana vahoaka mba tsy hahafahan'izy ireo mandray anjara aminà fihetsiketseham-panohanana ireo olona 23 “tadiavina”, izay nokasaina atao ny 6 Septambra. Tontosa ihany anefa ny fihetsiketsehana, ary naseho tao ny sarin'ireo mpikatroka “tadiavina” sy ireo martiora. Nokiahiahana ireo teny filamatra toy ny “Izaho no martiora manaraka, Tsy miraharaha izay famaizana aho”. Anisan'ireo teny nokiahiahana ireto manaraka ireto:
The situation does not need a security solution; it needs a political one.
Tsy mila vahaolana ara-piarovana ny zava-misy, fa vahaolana politika no ilaina
Mpikatroka Waleed Sulais naneho hevitra hoe:
لغة الدم لا تبني الأوطان ولا تخلق الاستقرار.المخرج الامني حلوله ان نجحت مؤقتة وينفجر المجتمع مجددا. الحل سياسي سياسي #الشهيد_أحمد_مصلاب
— وليد سليس (@WaleedSulais) September 5, 2013
Tsy manangana firenena sady tsy hahatonga amin'ny fahamarina-toerana ny fandatsahan-drà. Tsy maharitra ny vahaolana ara-piarovana, na dia mahomby aza, ka hitroatra indray ny fiarahamonina. Tokony vahaolana politika no atao.
Avy ao Bahrain, Nader Abdulemam nilaza hoe:
#الشهيد_أحمد_مصلاب ليس أول شهيد يسقط في #العوامية بالسعودية ولن يكون الأخير مادام الصمت الدولي يرى في النفظ وصفقات السلاح أهم من الدم
— نادر عبدالامام (@NaderAbdulEmam) September 5, 2013
Tsy martiora voalohany namoy ny ainy tao Arabia Saodita ny maritiora Ahmad Al-Mislab ary tsy ho farany ihany koa raha mbola mangina ny sehatra iraisam-pirenena ho takalon'ny fifampiraharahana amin'ny solika sy ny fitaovam-piadiana, izay laharam-pahamehana kokoa noho ny rà latsaka.
Voampanga ho nitarika korontana sy fitroarana ireo olona 23 tadiavina, anisan'ny fiampangana sy niantsoana azy ireo hitono-tena any amin'ny manampahefana izany. Maromaro tamin'izy ireo no nandà izany fiampangana rehetra izany sy nilaza fa ny hany helok'izy ireo dia ny fitakiana ny zony. Namoy ny ainy ny roa tamin'ireo 23 -Khaled Al-Labbad sy Morsi Al-Rebh , voasambotra nandritra ny fanafihana teo aloha kosa ny fito ( Abbas Al-Mazraa sy enina tamin'ireo rahalahiny no farany tamin'izany izay fantatra fa rahalahin'i Al-Mislab) ary nitono-tena kosa ny enina raha mbola tadiavina ny valo”.
Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka an'i Ahmad Al-Mislab tamin'ny 9 Septembra ary nanjary fihetsiketsehana goavana nitakian'ny vahoaka valifaty ho an'ireo martiora ny ny fandevenana azy.
Nanomboka tamin'ny volana Martsa 2011, raha nameno an'i Qatif ny fihetsiketsehana tamin'ny fiandohan'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo, olona maherin'ny 20 tao amin'ny Faritra Tatsinanana no matin'ny mpitandro ny filaminana ary olona 850 voasambotra. 190 eo kosa mbola any am-ponja.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...